lundi 24 juin 2013

Alatsinainy 24 Jona 2013 - Jer 35 : 1 - 11

1Tamin'ny andron'i Jôiakima, zanakalahin'i Josià sady mpanjakan'i Joda, dia tonga ho an'i Jeremià avy amin'ny TOMPO izao teny izao: 2«Mandehana mankany amin'ny fokon'ny Rekabita ka reseo lahatra izy mba hankao amin'ny efitra iray ao an-tranoko, dia rosoy divay hosotroiny.» 3Dia nandeha aho, ka naka an'i Jazanià, zanakalahin'i Jirmeià sady zafikelin'i Habatsinià, mbamin'ny rahalahin'io Jazanià io sy ny zanakalahiny rehetra, dia ny fokon'ny Rekabita manontolo. 4Nampidiriko tao amin'ny efitra iray tao an-tranon'ny TOMPO izy, dia tao amin'ny efitra voatokana ho an'ny mpianatr'i Hanàna, izay lehilahy masina sady zanakalahin'i Jigdalià. Io efitra io dia teo akaikin'ilay efitranon'ireo lehibe ary teo ambonin'ny an'i Mahaseià, zanakalahin'i Salòma izay mpisorona miambina ny varavarana fidirana amin'ny tempoly. 5Dia narosoko teo anoloan'ireo Rekabita ireo ny siny feno divay sy ny tsatokaty, ary hoy aho taminy:

–Misotroa divay ianareo!

6Nefa namaly izy hoe:

–Tsy misotro divay izahay, satria i Jônadaba, zanakalahin'i Rekaba sady razanay, dia efa nandidy anay hoe:
«Aza misotro divay na oviana na oviana, na ianareo na ny taranakareo. 7Aza manao trano ianareo na mamboly ny tany na mamboly voaloboka, na manana tanimboaloboka; fa anaty trano lay ihany no hipetrahanareo mandritra ny androm-piainanareo rehetra, dia ho ela velona ianareo any amin'ny tany izay ivahinianareo any.»

8Koa nankatoavinay ny tenin'i Jônadaba zanakalahin'i Rekaba sady razanay, tamin'izay rehetra nanafarany anay. Dia tsy misotro divay na oviana na oviana ny tenanay na ny vadinay na ny zanakay lahy na ny zanakay vavy. 9Tsy manao trano hipetrahanay izahay na manana tanimboaloboka na saha voavoly, 10fa mipetraka an-day. Koa ankatoavinay sy arahinay izay rehetra nanafaran'i Jônadaba razanay anay. 11Fa nony niakatra teto amin'ny tany i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilôna, dia nanapa-kevitra hiditra ato Jerosalema izahay mba handositra ny tafika babilônianina sy sirianina. Koa izany no ipetrahanay eto Jerosalema izao.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12