mercredi 12 juin 2013

Alarobia 12 Jona 2013 - Mat 19 : 16 - 26

16Ary indro nisy tovolahy nanatona an'i Jesoa ka nanao taminy hoe:

–Mpampianatra ô, inona no tsara tokony hataoko hahavelona aina ahy mandrakizay?

17Dia hoy i Jesoa taminy:

–Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Tokana no tsara tapitra ohatra. Raha te hiroso amin'ny fiainana kosa ianao, dia tandremo ny didy!

18Fa hoy ilay zatovo taminy:

–Didy sahala amin'inona moa izany?

Ka izao no navalin'i Jesoa:

–Ny didy sahala amin'ny hoe: Aza mamono olona, aza maka vadin'olona, aza mangalatra, aza manao vavolombelona tsy marina; 19hajao ny rainao sy ny reninao, ary tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao!

20Dia hoy ilay zatovo taminy:

–Izany rehetra izany dia efa voatandriko; ka inona no mbola tsy ampy amiko?

21Ary i Jesoa nanao taminy hoe:

–Raha te ho velona aina tanteraka ianao, ndeha amidio ny fanananao ka zarao amin'ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia avia hiaraka amiko!

22Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia lasa nandeha tamin'alahelo, satria nanan-karem-be. 23Tamin'izay i Jesoa dia niteny tamin'ny mpianany hoe:

–Lazaiko marina aminareo fa sarotra amin'ny mpanankarena ny hiditra ao amin'ny Fanjakàn'ny lanitra*.
24Ary hoy koa Aho aminareo: moramora kokoa ny hidiran'ny rameva ao amin'ny vodifanjaikely noho ny hidiran'ny mpanankarena ao amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra!

25Talanjona tokoa ny mpianatra raha nandre izany ka vaky vava hoe:

–Iza àry no mety ho voavonjy?

26Fa nojeren'i Jesoa tsara ireto mpianany sady nataony hoe:

–Raha amin'ny olombelona, dia zavatra tsy hainy izany; fa raha amin'Andriamanitra, dia hainy avokoa ny zavatra rehetra.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12