dimanche 17 août 2014

Alahady 17 Aogositra 2014 - Mar 9 : 33 - 41

33Dia niditra tao Kafarnahòma i Jesoa sy ny mpianany*. Ary rehefa mby tao an-trano i Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe:
–Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana teo iny?

34Tsy niteny tsy nivolana ireo, satria ny niadiany hevitra teny an-dalana dia ny hoe iza no lehibe indrindra amin'izy samy izy.
 35Dia nipetraka i Jesoa ary niantso ny 12 lahy ka nanao taminy hoe:
–Raha misy te ho voalohany, aoka izy ho farany amin'ny olona rehetra ary ho mpanompon'ny olona rehetra.

36Dia nandray zazakely i Jesoa, napetrany teo ampovoan'izy rehetra ary dia notrotroiny ka hoy Izy:
37–Na iza na iza mandray ny anankiray amin'itony zaza itony amin'ny anarako, dia Izaho no raisiny; ary na iza na iza mandray Ahy, dia tsy Izaho ihany no raisiny fa Ilay naniraka Ahy koa.
Izay tsy manohitra antsika dia momba antsika

38Fa hoy i Jôhany tamin'i Jesoa:
–Mpampianatra ô, nahita olona nandroaka demony* tamin'ny anaranao izahay, ka noraranay satria tsy namantsika.

39Dia hoy i Jesoa taminy:
–Aza raràna; fa tsy misy olona hanao asa mahagaga amin'ny anarako, ka hahateny ratsy Ahy eo no ho eo. 40Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika. 41Ary na iza na iza manome rano eran'ny kaopy hosotroinareo noho ny maha an'i Kristy anareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho diso valisoa.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12