lundi 4 août 2014

Alatsinainy 04 Aogositra 2014 - Lio 2 : 25 - 35

25Tao Jerosalema tamin'izay dia nisy lehilahy nantsoina hoe Simehôna; olo-marina sady tena mpivavaka izany lehilahy izany ary fatra-piandry an'Ilay ho avy hampionona ny vahoaka Israely. Nombàn'ny Fanahy Masina izy 26ary nampahalalainy fa tsy ho faty raha tsy efa mahita ilay Mesia* avy amin'ny Tompo. 27Nentin'ny Fanahy Masina hankao an-kianjan'ny tempoly* i Simehôna, raha niditra indrindra ny ray aman-drenin'i Jesoa zazakely mba hanatanteraka izay andidian'ny lalàna ny amin'ny zaza;

28dia nitrotro Azy i Simehôna sady velom-pisaorana an'Andriamanitra nanao hoe:
29–Tompo ô, alefaso amim-piadanana amin'izay
ity mpanomponao, araka ny teninao!
30Efa hitako maso manko ny famonjena avy aminao
31izay nomaninao ho an'ny firenena rehetra:
32dia fahazavana hampahalala Anao amin'ny hafa firenena
ary hanome voninahitra an'i Israely* vahoakanao.

33Gaga ny ray aman-drenin'i Jesoa noho izao tenin'i Simehôna momba ny zanany izao. 34Ary nitsodrano azy telo mianaka i Simehôna; avy eo izy dia niteny tamin'i Maria renin'i Jesoa hoe:
–Indro ity zaza ity fa voatendry mba hahatonga ny maro amin'i Israely* homelohin'Andriamanitra ary koa hahatonga ny maro amin'i Israely hankatoavin'Andriamanitra. Ho famantarana hifanoheran'ny olona ity zaza ity, 35mba hampiharihary ny fisainan'ny besinimaro. Ary ianao kosa, ramatoa, hotsatohan-tsabatra ny fanahinao!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12