samedi 2 août 2014

Sabotsy 02 Aogositra 2014 - Rom 10 : 1 - 13

1Ry havana, ny irîn'ny foko sy angatahiko amin'Andriamanitra ho an'ny Jiosy dia ny hahazoany famonjena. 2Vavolombelona ny aminy aho fa feno zotom-po ho an'Andriamanitra izy rehetra saingy zotom-po tsy ombàm-pahalalana. 3Tsy nahalala ny fahamarinana omen'Andriamanitra ry zareo, ka nitady fahamarinana avy amin'ny tenany fa tsy nanaiky ny fahamarinana omen'Andriamanitra. 4Eny, lany andro ny lalàna* nony tamy i Kristy* hahatonga ny mpino rehetra ho olo-marina eo anatrehan'Andriamanitra.

5Izao no voasoratr'i Mosesy momba ny fahamarinana avy amin'ny lalàna: «Ny olona manatanteraka ny didy amam-pitsipika dia ho velona amin'izany.» 6Fa izao kosa no voalaza momba ny fahamarinana avy amin'ny finoana: «Aza manao anakampo hoe: Iza no hiakatra any an-danitra?» (dia ny mba hampidina an'i Kristy* izany). 7Na hoe: «Iza no hidina any amin'ny hantsana?» (dia ny mba hampiakatra an'i Kristy avy any amin'ny maty). 8Fa inona no voalaza? Izao: «Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao.» Izany no teny momba ny finoana, izay torînay. 9Satria raha manaiky ampahibemaso amin'ny vavanao ianao fa Tompo i Jesoa, ary mino ao am-ponao fa nanangana Azy ho velona avy tany amin'ny maty Andriamanitra, dia ho voavonjy. 10Mino ao am-po manko ny olona mba hoeken'Andriamanitra ho marina, ary manaiky ampahibemaso amin'ny vava, mba hahazoany famonjena. 11Fa hoy ny Soratra Masina* hoe: «Izay (rehetra) mino Azy tsy mba hangaihay.» 12Koa mitovy na Jiosy na hafa firenena*, fa ny Tompo iray ihany ny an'ny rehetra, Tompo malala-tanana amin'izay rehetra miantso Azy. 13Satria izao no tenin'ny Soratra Masina: «Izay rehetra hiantso ny Tompo, dia ho voavonjy.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12