mercredi 3 septembre 2014

Alarobia 03 Septambra 2014 - Lio 7 : 18 - 27

18Ary i Jôhany Mpanao batisa* nilazan'ny mpianany izany rehetra izany, ka niantso roa lahy tamin'ireo mpianany 19sy naniraka azy hankany amin'ny Tompo hanontany hoe: «Ianao ve no Ilay ho avy sa olon-kafa no mbola tokony handrasanay?»

20Nony tonga tany amin'i Jesoa izy roa lahy, dia nanao hoe:
–I Jôhany Mpanao batisa no naniraka anay hankatỳ aminao hanontany hoe: «Ianao ve no Ilay ho avy sa olon-kafa no mbola tokony handrasanay?»

21Tamin'izany indrindra i Jesoa dia nanasitrana olona maro tamin'ny aretina sy ny rofy ary ny fanahy ratsy, sady nampahiratra ny jamba maro.

22Ka hoy Izy namaly ireto iraka hoe:
–Ndeha ambarao amin'i Jôhany ny zavatra hitanareo sy renareo: mahiratra ny jamba, mandeha tsara ny mandringa, madio ny marary hoditra*, mandre ny marenina, atsangana ho velona ny maty, itoriana ny Vaovao Mahafaly* ny mahantra. 23Koa sambatra izay tsy voasakana hino Ahy!

24Nony lasa ireto iraka, dia niteny momba an'i Jôhany tamin'ny vahoaka i Jesoa nanao hoe:
–Hizaha inona no nalehanareo tany an-taniefitra? Bararata hetsiketsehin-drivotra ve? Tsia! 25Fa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Olona marevaka fitafiana ve? Izay marevaka fitafiana sy manaram-po amin'ny fiainana, dia any amin'ny lapan'ny mpanjaka! 26Koa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Mpaminany* ve? Izany tokoa, hoy Aho aminareo, ary mihoatra noho ny mpaminany aza. 27Fa i Jôhany no ilay voalazan'ny          Soratra Masina* hoe:
        Indro alefako hialoha Anao ny irako,
        hoy Andriamanitra,
        mba hanomana ny lalan-kombànao!»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12