vendredi 26 septembre 2014

Zoma 25 Septambra 2015 - Rom 15 : 14 - 24

14Fa raha ny aminareo, ry havako, dia matoky koa aho fa feno hatsaram-po ianareo ary henika ny fahalalana rehetra sady mahay mifananatra koa. 15Kanefa, mba ho toy ny hamohafohazana ny fahalalana efa ao aminareo no nanoratako taminareo tamin-kasahiana ihany ombieny ombieny, noho ilay tombon-tsoa nomen'Andriamanitra ahy; 16fa izaho dia natokan'Andriamanitra ho mpanompon'i Kristy* Jesoa eo amin'ny hafa firenena*. Manatontosa fanompoana toy ny mpisorona aho, amin'ny itoriako ny Vaovao mahafaly* avy amin'Andriamanitra, mba ho zary fanatitra ankasitrahin'Andriamanitra ireo hafa firenena, rehefa voatokana ho azy noho ny asan'ny Fanahy Masina. 17Koa satria tafaray amin'i Kristy Jesoa aho, dia afaka mirehareha ny amin'ny asa ataoko ho an'Andriamanitra. 18Fa tsy misy sahiko lazaina, raha tsy izay notontosain'i Kristy tamin'ny alalako mba hitaomana ny hafa firenena hanaiky an'Andriamanitra: dia izay notontosain'i Kristy tamin'ny teny sy asa, 19tamin'ny herin'ny famantarana* sy zava-mahagaga ary tamin'ny herin'ny Fanahin'Andriamanitra. Hany ka feno tokoa ny fitoriako ny Vaovao Mahafaly momba an'i Kristy, hatrany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany amin'ny faritany Iliria. 20Ary tamin'izany, dia nataoko ho voninahitra ny mitory ny Vaovao Mahafaly tamin'izay toerana tsy mbola nandrenesan'olona ny momba an'i Kristy; fa tsy tiako ny hanorina eo amin'ny fototra nataon'ny sasany, 21araka ny voalazan'ny Soratra Masina* hoe:

                   «Ireo tsy mbola nilazana Azy dia hahita;
                     ary ireo tsy mbola nandre dia hahalala!»

22Ary izany no nahasampona ahy matetika tsy ho tonga hatratỳ aminareo. 23Ankehitriny anefa, tsy misy raharaha mitana ahy amin'ireto faritany ireto intsony, sady naniry hankatỳ aminareo hatramin'ny taona maro aho. 24Koa manantena aho fa amin'ny diako hankany Espaina, dia handalo eo aminareo ka hahita anareo; ary dia hampianareo ho any amin'io tany io, rehefa fenofeno ny hafaliako aminareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12