mercredi 24 septembre 2014

Alarobia 24 Septambra 2014 - Asa 26 : 19 - 32

19Ary amin'izany, ry Agripà mpanjaka, tsy notoheriko ny fahitana avy tany an-danitra. 20Fa nitoriako aloha ny mponina tao Damasy ary koa ny tao Jerosalema, vao izay manerana ny faritany Jodea sy ny tanin'ny hafa firenena* ka nanainga azy rehetra aho hiala amin'ny toetra ratsiny sy hiverina amin'Andriamanitra ary hanao asa mampiharihary fa nialany tokoa ny toetra ratsiny. 21Izany no nisamboran'ny Jiosy ahy raha tao an-kianjan'ny tempoly* aho, ary nitadiavany hamonoana ahy. 22Fa niaro ahy Andriamanitra mandraka androany ka mbola intỳ aho eto, mba hijoro ho vavolombelona amin'ny olona rehetra na ny kely na ny lehibe. Izay nambaran'ny mpaminany* sy i Mosesy fa ho avy no hany lazaiko izao: 23hijaly ny Mesia* ary Izy no ho voalohany hisantatra ny fitsanganan'ny maty* ka hitory fahazavana amin'ny vahoaka Israely* sy amin'ny hafa firenena.

24Raha mbola mandahatra hiarovan-tena araka izany i Paoly, dia niantso tamin'ny feo mahery kosa i Festo nanao hoe:
–Lasa adala ianao, ry Paoly! Ny fianarana be loatra vitanao no mahalasa adala anao!

25Dia novalian'i Paoly hoe:
–Tsy lasa adala akory aho, Andriamatoa governora hajaina, teny azo antoka sady voadinika izao lazaiko izao. 26Tsy vahiny amin'ny mpanjaka izany toe-javatra izany, ka dia miteny tsy mihambahamba eto anatrehany aho. Matoky aho fa tsy misy miafina aminy velively izany, satria tsy mba an-takontakona no nanaovana azy. 27Ry Agripà mpanjaka, inoanao ve izay voalazan'ny mpaminany*? Fantatro fa inoanao.

28Ary hoy i Agripà tamin'i Paoly:
–Heverinao moa fa dia ho tonganao kristianina haingana toy izany aho?

29Dia novalian'i Paoly hoe:
–Na ho haingana na mbola ho ela, dia mivavaka amin'Andriamanitra aho mba tsy ianao ihany fa izay rehetra mihaino ahy androany no ho tonga tahaka ahy afa-tsy amin'ny maha mpifatotra ahy.

30Dia nitsangana ny mpanjaka sy ny governora ary i Berenîka mbamin'izay rehetra niara-nipetraka taminy; 31ka nony niala teo, dia nifampiresaka hoe:
–Tsy misy fahadisoana vitan'io lehilahy io, tokony hahamendrika azy ho voaheloka ho faty na hatao am-ponja.

32Hoy kosa i Agripà tamin'i Festo:
–Azo nalefa ihany io lehilahy io raha tsy noho izy nampiakatra ny raharahany amin'ny amperôra rômanina.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12