lundi 22 septembre 2014

Alatsinainy 22 Septambra 2014 - Mar 5 : 18 - 29

18Raha ilay niondrana an-tsambokely iny i Jesoa, dia niangavy taminy kosa ilay azon'ny demony teo aloha nanao hoe:
–Avelao aho hiaraka aminao!

19Tsy nanaiky i Jesoa fa niteny taminy hoe:
–Andeha mody any an-tranonao, any amin'ireo havanao; ka lazao azy izay rehetra nataon'ny Tompo taminao noho ny famindrampony.
20Dia lasa ralehilahy nanao antso avo, eran'ny faritany atao hoe Dekapôly*, izay rehetra nataon'i Jesoa taminy; ka dia gaga avokoa ny olona.

21Nony tafaverina an-tsambokely teny ampita i Jesoa, dia vahoaka maro no nitangorona nanatona Azy, fa Izy kosa nijanona teo amoron'ny farihy ihany. 22Dia avy ny anankiray tamin'ireo lehiben'ny sinagôga*, atao hoe Jaîro; raha vao nahita an'i Jesoa izy, dia niankohoka teo an-tongony 23sady niangavy azy mafy nanao hoe:
–Eo ambavahoanan'ny fahafatesana ny zanako vavy; koa tongava hametra-tanana aminy, dia ho sitrana izy ka ho velona.

24Dia lasa niaraka tamin'i Jaîro i Jesoa. Vahoaka nifanitsa-kitro no nitanjozotra nanaraka Azy, ka nifanety taminy. 25Ary nisy vehivavy marary mitsi-dra nandritra ny 12 taona; 26efa niaritra zavatra mafy maro tamin'ny dokotera maro izy io ka lany fananana tamin'izany rehetra izany, nefa tsy nihatsara velively fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza. 27Nandre ny amin'i Jesoa ravehivavy, dia lasa nifanjevo tamin'ny vahoaka avy tao ivoho, ka nikasika ny lamban'i Jesoa 28fa hoy mantsy izy: «Na dia ny lambany ihany aza no voakasiko, dia ho sitrana aho.» 29Dia ritra niaraka tamin'izay ny loharanon'aretiny, ka tsapany tao amin'ny tenany fa sitrana tsy nandeha ra intsony izy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12