mercredi 12 novembre 2014

Alarobia 12 Novambra 2014 - I Pet 1 : 1 - 12

1Avy amiko Petera ity taratasy ity, dia izaho apôstôlin'i Jesoa Kristy*.
Mamangy anareo olom-boafidin'Andriamanitra aho, dia ianareo mpivahiny miely patrana any amin'ny faritany Pônto, Galatia, Kapadôsia, Azia sy Bitinia. 2Voafidy araka ny efa voatendrin'Andriamanitra Ray ianareo ary voatokana ho Azy noho ny asan'ny Fanahy Masina, mba hanaiky an'i Jesoa Kristy sy hanana anjara amin'ny famafazana ny rany.Hampitomboina ao aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana!

3Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain'i Jesoa Kristy* Tompontsika! Be famindrampo tokoa Andriamanitra, ka niteraka antsika indray tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy Izay natsangany ho velona avy any amin'ny maty. Izany no ananantsika fanantenana mivaivay 4fa hahazo ny lova tsy mety simba sady tsy azon-doto no tsy mety levona. Voatahiry any an-danitra io lova io mba ho anareo, 5dia ianareo izay arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana mba handray ny famonjena efa vonona haseho amin'ny andro farany. 6Izany koa no iravoravoanareo na dia mbola tsy maintsy hampahorîna vetivety amin'ny fitsapana samy hafa aza ianareo. 7Ny volamena dia sedraina amin'ny alalan'ny afo na dia zavatra mety simba aza; ary ny finoanareo, izay sarobidy lavitra noho ny volamena, dia sedraina amin'ny alalan'ireny fitsapana ireny ka ho hita fa hahazoan'Andriamanitra dera sy voninahitra ary haja izany, amin'ny andro hisehoan'i Jesoa Kristy. 8Manam-pitiavana an'i Jesoa Kristy ianareo, na dia tsy nahita Azy aza; mino Azy ianareo, na dia tsy mahita Azy aza ankehitriny: izany no iravoravoanareo amin'ny hafaliana tsy hay lazaina sady be voninahitra, 9satria azonareo ilay zava-kendren'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahinareo. 10Ny amin'izany famonjena izany dia nanaovan'ireo mpaminany* famotopotorana sy fikarohana fatratra, satria ireo no efa nilaza mialoha ny fahasoavana voatendrin'Andriamanitra ho anareo. 11Nokarohin'ny mpaminany tokoa izay vaninandro sy toe-javatra notondroin'ny Fanahin'i Kristy; fa tao anatin'izy ireo ny Fanahin'i Kristy ka nanambara mialoha ny fijaliana hanjo an'i Kristy sy ny voninahitra hanaraka izany. 12Nasehon'Andriamanitra tamin'ireo mpaminany fa ny zavatra nomena horaharahainy dia tsy natao ho azy ireo fa natao ho anareo; ary izany zavatra izany dia nampandrenesina anareo ankehitriny, tamin'ny alalan'ireo olona izay nombàn'ny Fanahy Masina nirahina avy tany an-danitra ka nitory ny Vaovao Mahafaly* taminareo. Eny, izany zavatra izany aza dia irîn'ireo anjely* hodinihina.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12