vendredi 14 novembre 2014

Zoma 14 Novambra 2014 - Sal 9 - 1 - 14

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Hohiraina araka ny feon'ny hoe «Ny fahafatesan-janaka.» Salamo nataon'i Davida.

  ALEFA
2Hidera Anao amin'ny foko manontolo aho, TOMPO ô,
ka hitantara ny zava-mahagaga rehetra nataonao.
3Ho faly sy ravo aminao aho, ry Avo Indrindra ô,
ary hankalaza ny anaranao amin'ny zava-maneno.
  BETA
4Miverina ilalana ireo fahavaloko;
lavo izy ka ringana teo anoloanao.
5Eo ambonin'ilay sezafiandriananao
no ipetrahanao ho Mpitsara marina;
ka niaro ny zoko Ianao
ary nanome rariny ahy.
  GIMELA
6Norahonanao ny hafa firenena
ary naringanao ny olon-dratsy;
nokosehinao ny fahatsiarovana azy
mba ho levona mandrakizay.
7Nifarana hatreo ny amin'ny fahavalonay,
satria rava tanteraka izy;
efa narodanao ireo tanànany,
ka tsy hotsarovana intsony.
  HE
8Injay ny TOMPO Izay maharitra mandrakizay:
mametraka ny sezafiandrianana hitsarany Izy,
9ka hitsara izao tontolo izao araka ny rariny
sy hanapaka ny firenena araka ny hitsiny.
  VAO
10Ny TOMPO no fialofana ho an'ny ampahorîna,
eny, fialofana amin'ny andro mahory.
11Aoka hiantehitra aminao
ireo mahalala tsara Anao,
satria Ianao tsy mba mandao
izay mitady Anao, TOMPO ô!
  ZAINA
12Ankalazao amin'ny zava-maneno
ny TOMPO Izay monina ao Tsiôna*,
ary ambarao amin'ireo firenena
ny zava-mahatalanjona nataony;
13satria mikaroka ny mpamono olona Izy
sady mahatsiaro ireo voavono ho faty
sy ny fitarainan'ireo mahantra.
  HETA
14Iantrao aho, TOMPO ô, ka jereo ny fahoriako,
noho ny afitsoky ny mpankahala ahy;
Ianao no misintona ahy ho afaka
amin'ny hasomparan'ny fahafatesana.
15Amin'izay dia hotanisaiko avokoa
ireo anton-javatra iderako Anao;
ao an-tanànan'i Tsiôna no hiravoako,
satria Mpamonjy ahy tokoa Ianao.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12