dimanche 17 septembre 2017

Alahady 17 Septambra 2017 - I Sam 17 : 38 - 51

38Nomen'i Saoly hanaovan'i Davida ny fitafiany fentiny miady dia ny satroka varahina aro loha izay napetrany teo an-dohan'i Davida, ary akanjo varahina aro tena. 39Mbola nafatotr'i Davida tamin'ny akanjony koa ny sabatr'i Saoly, ary dia nanandrana namindra izy, nefa tsy afaka, satria tsy mbola zatra nitondra ireny, ka dia hoy izy tamin'i Saoly: «Tsy mba afa-mamindra amin'ireto zavatra tsy nahazatra ahy ireto aho.» Ary nesorin'i Davida teny aminy avokoa ireny. 40Noraisiny ny tehiny, dia lasa izy nifantina vato kilonjy dimy terỳ amoron'ny ranon-driaka, ka nataony tao anaty kitapony fitondra miandry ondry. Nataony an-tanana ny antsamotadiny, dia roso izy hiatrika ilay Filistinina. 41i Gôliata etsy andaniny, ialohavan'ilay mpitondra ny ampingany, sady manatona tsikelikely an'i Davida. 42Dia nandinika an'i Davida ilay Filistinina ka naneso azy, satria hitany fa mbola tanora izy no mazava endrika17.42 Jereo 16.12 sy nta. ary tsara tarehy. 43Ary hoy i Gôliata tamin'i Davida:
–Alika angaha aho no hatonin'ialahy amin'ny tehina? Ho voaozona anie ialahy amin'ny alalan'ireo andriamanitray! 44Avia atỳ, fa homeko ny voro-manidina sy ny bibidia ny nofon'ialahy.

45Dia hoy ny navalin'i Davida azy:
–Manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy ianao, izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'ny TOMPOn'izao rehetra izao, Andriamanitry ny tafik'i Israely, Izay efa nohantsinao. 46Anio ihany no hanoloran'ny TOMPO anao ho eo am-pelatanako, hahafaty anao aho ka hanapaka ny lohanao. Anio koa dia homeko hohanin'ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatin'ny miaramila filistinina. Ary ho fantatry ny tany tontolo fa manana Andriamanitra tokoa i Israely. 47Dia ho fantatry ny Fiangonan'i Israely tsivakivolo koa fa tsy mba mila sabatra na lefona ny TOMPO hanomezam-pandresena. An'ny TOMPO ny ady, koa dia hatolony ho eo an-tananay ianareo.

48Raha vao nanomboka nihetsika hanatona an'i Davida ilay Filistinina, dia nihazakazaka mafy i Davida hitsena azy. 49Nandray vato tao anaty kitapony i Davida ary nandefa izany tamin'ny antsamotady ka nahavoa ilay Filistinina teo an-tampon-kandriny. Tafalentika teo ilay vato ka nidaraboka niankohoka tamin'ny tany izy.

50Toy izany no nandresen'i Davida an'i Gôliata ka namonoany azy tamin'ny antsamotady sy ny vato, fa tsy mba tamin'ny sabatra.

51Dia nihazakazaka nankeny amin'i Gôliata i Davida ka nanatsoaka ny sabatr'i ilay rapeto tamin'ny tranony ary nanapaka ny lohany. Koa rehefa hitan'ny Filistinina fa maty ilay maherifony, dia nitsoaka nandositra izy ireo.

Ny olona matoky an’Andrìamanitra

Mijoro vavolombelona ny amin’ny finoana sy ny fatokiany an'Andriamanitra i Davida.

1- Miankina ainin’nv herin’Andriainanitra
Ady sarotra no miandry an’i Davida. Na dia nanome fitaovam-piadiana entina miatrika izany aza i Saoly mpanjaka dia nesoriny izany. Toa asehony fa tsy ny fananana fitaovana ari-fomba entina miady no zava-dehibe fa ny fatokiana an’Andriamanitra. Ny fítaovana efa nananany, hainv mampiasa araka ny fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra azy no nampiasainy. Mampianatra antsika koa izany fa rehefa mampiasa ny amin’ny fmoana ny fanomezam-pahasoavana nomen’ny Tompo antsika izanv dia mahita fahombiazana hatrany.

2- Miroso amin’nv finoana
Niroso naneho ny heriny i Goliata ny fahavalon’i Davida. Nirehareha, nanao tsínontsinona an’Andriamanitra izy. Tsv nampihemotra an’i Davida izany fa indro niroso izy vonona hiatrika ady. Feno fahasahiana nijoro vavolombelona fa mahery ìlay Andriamanitra itokiana. Nijoro ho mpanafika avy hatrany izy, nampiasa ny fanomezam-pahasoavana nornen’Andriamanitra azy. Resy noho izany nv fahavalonv. Rehefa manaiky handroso eo ambany fomban'Andriamanitra isika dia tsy ho resy fa ho mpandresy hatrany.

Fanontaniana :
Afaka mijoro ho vavolomhdona amin’izanv fanomezam-pahasoavana nomen’ny 'ì ompo anao ve ianao .

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12