lundi 4 septembre 2017

Alatsinainy 04 Septambra 2017 - II Kor 8 : 16 - 24

16Hisaorana anie Andriamanitra Izay nahatonga an'i Tito ho mazoto miasa ho anareo tahaka ny ataonay koa! 17Nanaiky ny fiangavianay azy i Tito; nefa tena nazoto rahateo izy, ka dia nahim-pony no nankanesany tany aminareo. 18Nalefanay hiaraka aminy koa ilay rahalahy derain'ny Fiangonana rehetra amin'ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly*; 19ary tsy izany ihany, fa notendren'ireo Fiangonana mba hiara-dia aminay koa io rahalahy io amin'izao asa fanasoavana ilofosanay izao, ho voninahitr'Izy Tompo ary ho mariky ny risi-ponay hanasoa ny hafa.

20Tandremanay mba tsy hisy hanome tsiny anay amin'izao famoriana vola be ilofosanay izao: 21satria mikendry hanao ny tsara izahay, tsy eo anatrehan'ny Tompo ihany, fa eo anatrehan'ny olona koa8.21 Ampit Ohab 3.4 (amin'ny heviny araka ny dkt grika tranainy Septoazinta); Rm 12.17..

22Nalefanay hiaraka amin'izy ireo ilay rahalahinay8.22 ilay rahalahinay: olon-kafa fa tsy voatonona anarana ao amin'ny and 18: ampit ny and 23 (iretsy roa lahy rahalahinay). Jereo 2.13 sy nta. izay efa nosedrainay matetika tamin-javatra maro ka hitanay fa mazoto; kanefa vao mainka mazoto kokoa izy ankehitriny, satria be ny fahatokiany anareo. 23Raha ny amin'i Tito, dia namako izy sady mpiara-miasa amiko ho fanasoavana anareo; fa iretsy roa lahy rahalahinay kosa dia irak'ireo Fiangonana ary miasa ho voninahitr'i Kristy*. 24Koa asehoy azy telo lahy fa tia azy tokoa ianareo, mba ho fantatr'ireo Fiangonana fa rariny raha ataonay reharehanay ianareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12