vendredi 8 septembre 2017

Zoma 08 Septambra 2017 - Sal 25 : 1 - 7

1 Salamo nataon'i Davida

TOMPO ô, Ianao no ifantohako;
2Andriamanitra ô, Ianao no itokiako
ka aza avela ho diso fanantenana aho
na ho resy hifalian'ny fahavaloko!
3Izay rehetra miantehitra aminao
dia tsy mba ho diso fanantenana;
fa ireo mivadika aminao no ho menatra,
ka enga anie hitondra tanam-polo mody!

4TOMPO ô, ampahafantaro ny lalanao aho
ary ampianaro hiaina araka ny sitrakao.
5Tariho amin'ny fahamarinanao aho ka ampianaro,
satria Ianao no Andriamanitra mpamonjy ahy
sady hany ianteherako isan'andro.
6Tsarovy, TOMPO ô, fa hatrizay hatrizay
dia be indrafo sy be fitiavana Ianao.
7Koa hadinoy ny fahotako, fony aho tanora;
eny, hadinoy re izay hadisoana vitako;
nefa mba tsarovy kosa aho, TOMPO ô,
satria be fitiavana sy tsara fo Ianao.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12