dimanche 24 septembre 2017

Alahady 24 Septambra 2017 - Jao 9 : 24 - 38

24Dia nantsoin'ireo Farisianina indray ilay jamba taloha, ka nilazany hoe:
–Lazao ny marina eo anatrehan'Andriamanitra! Izahay aloha dia tsy mahalala fa mpanota iny Lehilahy iny.

25Ka hoy ny navaliny azy:
–Tsy fantatro na mpanota Izy na tsia; zavatra iray ihany no fantatro: jamba aho taloha fa mahiratra ankehitriny.

26Dia hoy ireo taminy:
–Inona no nataony taminao? Fomba ahoana no nampahiratany ny masonao?

27Fa novaliany hoe:
–Efa voalazako taminareo, fa tsy nohenoinareo! Ka ahoana no itiavanareo mihaino izany indray? Te ho tonga mpianany* koa ve ianareo?

28Dia notevatevain'ireo Farisianina ralehilahy sady nataony hoe:
–Ianao no mpianany fa izahay mpianatr'i Mosesy. 29Fantatray fa i Mosesy dia nitenenan'Andriamanitra; ilay iny kosa tsy fantatray izay ipoirany.

30Dia niteny ralehilahy ka nanao taminy hoe:
–Izany tokoa no mahagaga: tsy fantatrareo izay ipoirany, nefa nampahiratra ny masoko Izy! 31Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay tia vavaka sy manao ny sitrapony no henoiny9.31 Jereo Is 1.15; Sal 34.16; 66.18; Ohab 15.29.. 32Hatrizay hatrizay dia tsy mbola nandrenesana fa hoe nisy nampahiratra mason'olona teraka jamba. 33Raha toa tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy hahefa na inona na inona.

34Namaly kosa ry zareo ka nanao taminy hoe:
–Tena teraka tanatin'ny ota ianao, ka ianao indray ve no mampianatra anay?
Dia noroahin'ny Farisianina hiala amin'ny sinagôga ilay jamba taloha.

35Ren'i Jesoa fa voaroaka hiala amin'ny sinagôga* ilay jamba taloha, ka nony hitany dia nilazany hoe:
–Mino ny Zanak'olona* ve ianao?

36Fa novaliany hoe:
–Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy?

37Dia hoy i Jesoa taminy:
–Efa nahita Azy ianao, ary Ilay miresaka aminao izao no Izy!

38Ka hoy ralehilahy hoe:
–Mino aho, Tompoko!

Izay nandray ny fahasoavan’Andriamanitra
Ny fijoroana ho vavolombelona nataon'ilay lehilahy jamba nositranin'I .lesoa Kristy no hitantsika eto.

1- Manambara ny asany
Nadinina teo anatrehan'ireo fariseo ilay lehilahy jamba nositranin'i Jesoa Kristv. Noterana izy hanambara fa mpanota io nanasitrana azy io. Tsy nanaiky ìzany anefa ity lehilahy nositranin’i Jesoa ity fa nanambara ho ren’ny rehetra ny asa mahagaga nataon'i Jesoa ho fanasitranana azy. Zava-dehibe aminy ny fahasitranana azony.

2- Manamnbara nv fahefany
Nanevateva ity lehìlahy nositranin'i Jesoa Kristv ity ny fariseo. Nanamafy ireto fariseo ireto fa tsy mba avy amin’Andriamanitra ílay nanasitrana azy. Sahy nijoro vavolombeona hatrany anefa ilav lehiiahy jamba nahazo fanasitranana fa tena olona avy amin’Andriamanitra ì Jesoa matoa afaka nanasitrana ny masony. Hery sv fahefan’Andriamanìtra no nampiasain’i Jesoa Kristy ho fanasitranana azy. Nambarany ny fahefan’i Jesoa Kristv.

3~ Manamafy ny fiombonana Aminy
Na dia niezaka nanozongozona ny finoan’itv lehílahy nahazo fahasoavana tao amin’i Jesoa Kristy ity ny fariseo dia tsy nahomby izany. índro mihaona amin'i Jesoa Kristy ilay nanastitra azy izy ka manamafy ny fiombonana sy ny fífamatorana fiainana Aminy hoy izy : « Tompoko, mino aho » ( and.38 ). Nv olona afaka mijoro vavolombelona marina dia izay manamafy nv fiombonany amin’i Jesoa.

F'anontaniana :
Nahoana no misy olona nandray fahasoavana tamin’i Jesoa Kristy kanefa tsv sahy mìjoro ho vavolombelony ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12