dimanche 18 mars 2018

Alahady 18 Martsa 2018 - Jer 36 : 1 - 10

1Tamin'ny taona fahefatra nanjakàn'i Jôiakima zanakalahin'i Josià sady mpanjakan'i Joda36.1 Taona fahefatra nanjakàn'i Jôiakima: jereo 22.13; 25.1 sy nta., no tonga tamin'i Jeremià izao teny avy tamin'ny TOMPO izao nanao hoe: 2«Makà horonan-taratasy ianao, ka soraty ao ny hafatra rehetra izay nampitondraiko anao ny amin'ny fanjakan'i Israely sy ny fanjakan'i Joda ary ireo firenen-kafa rehetra, hatreo amin'ny andron'i Josià fony Aho vao nanomboka niteny taminao ka mandraka androany. 3Angamba hahatakatra ny fikasàko handefa loza aminy ny olon'i Joda, ka samy hiala amin'ny fitondrantena ratsiny, dia havelako ny heloka amam-pahotany.»
4Dia niantso an'i Baròka zanakalahin'i Nerià i Jeremià, ka nanonona taminy ny hafatra rehetra izay nampitondrain'ny TOMPO azy; ary nosoratan'i Baròka tamin'ny horonan-taratasy ireny.
5Avy eo dia nandidy an'i Baròka i Jeremià hoe: «Sakanana tsy hiditra ao an-tranon'ny TOMPO aho, ka tsy afaka mankany ny tenako. 6Fa ianao kosa, mankanesa ao amin'ny andron'ny fifadian-kanina, dia vakio mafy ao ny hafatry ny TOMPO izay efa notononiko ka efa voasoratrao, ary ataovy ren'ny olona ao amin'ny tempoly mbamin'izay rehetra tonga avy amin'ireo tanànan'i Joda izany. 7Angamba hamboraka fifonana amin'ny TOMPO izy ary hiala amin'ny fitondrantena ratsy; satria efa nilaza ny TOMPO fa tena tezitra sy vinitra tamin'ity vahoaka ity.»

8Dia nataon'i Baròka izay rehetra nandidian'i Jeremià mpaminany azy, ka nankao an-tranon'ny TOMPO izy ary namaky mafy ny hafatry ny TOMPO voasoratra tao amin'ny horonan-taratasy. 9Tamin'ny volana fahasivy, taona fahadimy nanjakàn'i Jôiakima, zanakalahin'i Josià sady mpanjakan'i Joda36.9 Ny volana fahasivy dia mifanandrify amin'ny volana Nôvambra na Desambra, ka fotoanan'ny hatsiaka any Palestinina (jereo and 22 sy ny FTS amin'ny voambolana hoe FANISANANDRO). , no nisehoan'izany, raha nantsoina hanao fifadian-kanina teo anatrehan'ny TOMPO ny mponina rehetra tao Jerosalema sy ny olona rehetra avy amin'ireo tanànan'i Joda. 10Koa teo imason'ny olona rehetra vory tao an-tranon'ny TOMPO no namakian'i Baròka mafy ny hafatr'i Jeremià voasoratra tao amin'ny horonan-taratasy. Teo amin'ny efitrano natokana ho an'i Gemarià, zanakalahin'i Safàna izay mpitantsora-panjakana taloha, no nakany toerana fa io efitra io dia teo an-kianja ambony, akaikin'ny vavahady vaovao amin'ny tranon'ny TOMPO.

Mampibebaka ny mpanjaka sy ny Joda Andriamanitra

1- Mampanarotra an'i Jeremia Andriamanitra
Raketina an tsoratra ny Tenin'Andriamanitra ampitama amin'ny mpanjaka sy ny Joda. Miala nenina aminy ny Tompo mba hitebahany ka hialany amin'ny fanompoan- tsampy sy ny tsy fanekena ny sitrapon'Andriainanitra. Miantehatra amin'ny Egyptiana i Joakima mba hanoherana ny Babyloniana (2Mpa 24) fa tsy mihaino izay teny entin'i Jeremia avy amin'i Jehovah. Manome Teny hampitsaharana ny loza i Jehovah, raha nanaiky ny mpanjaka sy ny mpanapaka ary ny Joda (and 3).

2- Mampanoratra an'I_Baroka I Jeremia
Ampitain'ny mpitantsoratr'i Jeremia, i Baroka, amin'i Joda sy ny mpanjaka ny Tenin'i Jehovah. Tsy afaka mankany amin'nv tempoly i Jeremia noho ny antony manokana, nefa mbola tsy tany am-ponja izy tamin'izany (jereo Jer 19 : 26). Tsy voasakana ny tenin'Andriamanitra hampibebaka ny mpanjaka sy ny vahoakany. Tsy manatanteraka ny fikapohana Andriamanitra raha tsy efa nananatra sy niala nenina

3- Mampiala amin'nv fivavahan-diso Andriamanitra
Mivavaka sv mifady hanina nv Joda fa tsy mihaino nv tenin'Andriainanitra (and 6). Fivavahana tsv mampiala amin'ny fahotana sy ny ratsy ny fivavahan'ny Joda. Mitarika azy i Jehovah mba hanenina sy hiala amin'ny fahotany (and 7). Izany no fahamarinan'i Jehovah.

Fanontaniana :
Tena manaiky ny fahefan'ny Tenin' Andria.nanitra ve ny fiangonana sy ny mpitarika ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12