lundi 12 mars 2018

Alatsinainy 12 Martsa 2018 - Hos 12 : 1 - 7

1Hodidinin'ny olon'i Efraîma lainga Aho
ary mamely fitaka manodidina Ahy
ny firenen'i Israely.
I Joda kosa mbola miaraka amin'Andriamanitra
sady mbola matoky an'Ilay Masina Indrindra.
2Mamatsy diloilo an'i Ejipta i Efraîma;
ka rivotra no ivokisany amin'izany.
Manao fifanekena amin'i Asiria izy
dia manenji-drivotra avy atsinanana.
Tontolo andro no ampitomboiny
ny lainga sy ny herisetra.

3Manana ady amin'i Joda ny TOMPO.
ka hanafay ny firenen'i Jakôba
noho ny fitondrantenany
ary hamaly azy araka ny ratsy nataony.
4Fony i Jakôba mbola tany an-kibon-dreniny
no efa nisongona ny rahalahiny;
ary rehefa lehilahy lehibe izy,
dia nitolona tamin'Andriamanitra12.4 Mampahatsiaro ireo trangan-javatra voalazan'ny Gen 27 (jereo manokana ny and 26,36 sy nta). –Nitolona tamin'Andriamanitra izy: jereo Gen 32.23-33..
5 Anjely no nitolomany ka nandresy azy.
Nitomany i Jakôba sady nifona taminy.
Tao Betela no nahitany an'Andriamanitra
ka nitenenan'Andriamanitra taminy12.5 nandresy azy: jereo naoty teo aloha. Misy mpandika sasany manao hoe: noreseny. –Tao Betela: jereo Gen 28.10-22. –taminy: araka ny dkt grika sy siriaka tranainy; ny hebreo dia manao hoe: tamintsika..
6Teo ny TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao,
ny TOMPO araka ny anarana ahatsiarovana Azy,
7no niteny tamin'i Jakôba hoe:
«Miverena amiko Andriamanitrao ianao!
Tandrovy ny fitiavana sy ny rariny;
ary Izaho Andriamanitrao no itokio hatrany.»

Hatramin'ny fotoana nialan'ny olona voalohany tamin'ny fankatoavana ny Tenin'Andriamanitra dia mitady izay hanarenana azy ny Tompo, Mpamonjy Izv. Koa mivoitra eto ny fanarenan'nv Tompo nv lavo.

1- Miresaka sy miteny ny Tompo (and.4-5)
Zava-dehibe miavaka ho antsika kristiana ny manana Andriamanitra afaka miresaka sy miteny amintsika. Ny Baiboly no anehoanv nv famonjeny sy ny Teniny amintsika. Izy no manatona aloha mba hifikirantsika Aminy. Izy Ilay efa tia antsika taloha ary tia antsika hatramin'ny farany. Henov arv ny antson'ny Tompo mitaona antsika hanaraka Azy. Tsarovy ny nataony ho antsika fony Izy teto antanv ka mivavaha mba ho setrin'izany. Ny vavaka no nampianariny hiraisantsika Aminy indray. Resaka hatao Aminy tokoa izany.

2- Mitady nv fomba rehetra Izv (and.6-7)
Efa fantany tsara ny momba antsika tsirairay tahaka ny hitanisany ny nataon'i Efraima sy Joda. Tsy misy azontsika hialàna eo anatrehany. Mampiverina antsika eo anatrehany, mampitandrina antsika hanao ny tsara ary mampiandrv antsika ho vavolombelonv ny Tompo. Mihariharv izany fa ny fombany rehetra no hanangonany antsika ho eo anatrehany. Porofo izany fa tsy mahafov na mandao antsika ny Tompo. Ataony izay mahafaly sy mahasoa antsika ka aoka isika hitadv izay mahafalv nv Tompo. Aoka isika hihaino sy hankato ny Teniny mba hamirapiratra ny fahasoavany sy ny voninahiny.

Fanontaniana :
Voafetra ve ny fotoana na ny toerana hihaonantsika amin'ny Tompo mba hiresahana Aminy ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12