mardi 27 mars 2018

Talata 27 Mars 2018 - Mar 14 : 3 - 9

3Tany Betania i Jesoa tamin'izay ary tao an-tranon'i Simôna mpivarotra bakoly. Raha mbola teo am-pisakafoana i Jesoa, dia tonga ity vehivavy anankiray nitondra tavoahangy alabasitra feno ilomanitra sarobidy atao hoe narda. Dia novakîn-dravehivavy ny tavoahangy ka naidiny tamin'ny lohan'i Jesoa ny ilomanitra. 4Ary nisy sasany tezitra ka nifampilaza hoe:
–Nahoana no dia lanîna foana tahaka izao ity ilomanitra? 5Azo namidy denàry telonjato mahery iny ka omena ny mahantra ny vidiny!

Dia nolevileven-dry zareo ravehivavy.

6Fa hoy i Jesoa:
–Avelao izy! Nahoana no anaovanareo izay mampalahelo azy? Asa soa iny nataony tamiko iny. 7Ny mahantra moa misy eto aminareo mandrakariva14.7 Ampit Deot 15.11., ka azonareo asiana soa amin'izay fotoana tianareo; fa Izaho kosa tsy mba eto aminareo mandrakariva. 8Nanao izay azony natao izy nanosotra ilomanitra ny tenako dieny mialoha mba hamboarany Ahy halevina14.8 Ny fomba fandevenana jiosy fahizany dia misy fanosorana ilomanitra sy zava-manitra ny razana.. 9Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza eran'izao tontolo izao hanambarana ny Vaovao Mahafaly, dia holazaina koa izao nataon'ity vehivavy ity izao mba ho fahatsiarovana azy.

Asa fìbebahana

1- Fanosorana menaka an'i Jesoa Kristv
Menaka "manitra narda saro-bidy indrindra" iray tavoara manontolo no nahosotra an'i Jesoa. Nanaiky izany i Jesoa, satria tsy mbola nisy olona nanao fanosorana Azy teto an-tany araka ny fanaon'ny mpisoronabe amin'ny mpanjaka, na ny mpisorona (Lev 8, 12). Noraisin'i Jesoa manetri-tena ho fahamarinana ny nataon'ity vehivavy ity. Mesia Mpisoronabe hitondra ny fahotan'izao tontolo izao i Jesoa Kristy. Vonona hitondra sy handray ny fibebahana sy hamela heloka ny mpanota ny Tompo.

2- Fanamboarana an'i Jesoa halevina
Vonona ho faty sy hitondra fibebahana ho an'ity vehivavy ity sy izao tontolo izao i Jesoa. Manaiky hosorana dieny mbola velona Izy ho fitehirizana ny faty, araka ny fomba jiosy. Dieny mbola velona i Jesoa Kristy no karakaraina, fa rehefa maty izy dia tsy azo hosorana intsony. Andriamanitra velona no Tompo sy tompointsika. Tsy misy mahasakana ny fanoloran-tena feno sy ny fitiavantsika an'i .Tesoa Kristy. Mozotoa manompo.

3- Tsaroan'I Jesoa Kristy izay manosotra Azy
Holazaina miaraka amin'ny fitoriana ny Filazantsara ny nataon-dravehivavy. Sitrak'i Jesoa ny nataon'i Maria sy ny fitiavany (jereo Jao 12,3). Nafoiny ho an'i Jesoa Kristy izav nanany rehetra. Tsy menatra ho sakaizan'ny mpanota i Jesoa Kristy ary tsy menatra ny hanaiky an'i Jesoa ho Tompo i Maria. Manamasina an'i Kristy ao am-pony i Maria (1 Pel 3,15). Mankasitraka ny asa tsara ny Tompo.
Fanontaniana :
Ahoana no fanamasinantsika an'i Jesoa ao am-po ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12