mercredi 28 mars 2018

Alarobia 28 Martsa 2018 - jao 13 : 12 - 20

12Rehefa voasasan'i Jesoa ny tongotr'ireo mpianany, dia nandray ny lambany Izy ary nipetraka indray; ka hoy Izy tamin'ny mpianany:
–Azonareo ve izay nataoko taminareo? 13Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filàzanareo fa izany tokoa Aho. 14Koa raha Izaho Tompo sy Mpampianatra aza no manasa ny tongotrareo, ianareo samy ianareo koa dia mba tokony hifanasa tongotra. 15Eny, nomeko fianarana ianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo. 16Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony ary ny iraka tsy lehibe noho ilay naniraka azy13.16 Ampit and 12-16 sy Lk 22.24-27.. 17Raha azonareo izany, dia sambatra ianareo raha manao izany.

18Tsy ho anareo rehetra no itenenako, satria fantatro izay nofidiko; kanefa aoka ho tanteraka ny tenin'ny Soratra Masina hoe: «Ilay miara-mihina-mofo amiko no nanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy13.18 Sal 41.10..» 19Dieny izao Aho no milaza aminareo alohan'ny hahatongavan'izany, mba hinoanareo rehefa tonga izany fa «Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay13.19 Izaho... mandrakizay: ampit 8.24, 58 sy nta..» 20Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mandray ny hirahiko dia mandray Ahy, ary izay mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy.

I Jesoa Tompo sy Mpampianatra

1- Manompo ny mpianany i Jesoa
Fanompoan'ny mpandray vahiny no nataon'i Jesoa amin'ny fanasana ny tongotry ny mpianany. araka ny fomba jiosy (and 12). Mpampianatra tonga ohatra i Jesoa ary Lehibe tonga mpanompo. Miondrika i Jesoa manasa ny tongotry ny mpianatra, hiditra ao amin'ny fanjakany. Nanaiky ho tonga olona Andriamanitra mba handraisany ny mpanota sy hamonjeny azy.

2- Mampianatra ny mpianany i Jesoa
Mampianatra ny fifanompoana, fifankatiavana 1 Jesoa. Ampidirina ao amin'ny sekolin'ny fanompoana sy ny fanetren-tena ary ny fítiava-namana sy ny fahavalo ny mpianatra. Adino matetika ity fífanompoan'ny kristiana ity « hifanasa tongotraa (and 15). Ampianarin'ny Tompo hifanampy, hifamela heloka sy hifampitondra izay mavesatra ny mpino (Gai 6,2).

3- Manome fahasambarana i Jesoa
Ao amin'ny fampiharana ny tenin'i Jesoa no itoeran'ny fahasambarana (and 17). Tsy ampy ny mahalala an'i Jesoa ho : Mpampianatra. Mpamonjy,.. Fivelomana amin'ny Tenin'ny Tompo no fahasambarana, " sambatra ianareo raha maneto izany". Misy mahalala an'i Jesoa sy miara- misakafo ary manatsoboka ny mofony ao amin'ny lovian'i Jesoa Kristy fa mamadika Azy. Sambatra izay mandray an'i Jesoa ho Tompo sy ny teniny.

Fanontaniana :
Ahoana no anehoana ny fifanompoana kristiana eo amin'ny Fiangonana ?


Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12