samedi 6 juillet 2019
Sabotsy 06 Jolay 2019 - I Kor 11 : 23 - 26
23Fa izao no hafatra noraisiko tamin’ny Tompo ary nampitaiko taminareo: I Jesoa Tompo tamin’ilay alina nanolorana Azy, dia nandray mofo; 24ary nisaorany an’Andriamanitra izany, dia notapatapahiny ka nataony hoe: «Ny tenako ity, izay ho anareo. Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.» 25Taorian’ny sakafo, dia noraisiny toy izany koa ny kaopy masina sady nataony hoe: «Ity kaopy ity dia ilay fanekempihavanana vaovao, aorin’Andriamanitra amin’ny rako. Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, isaky ny misotro amin’ny kaopy masina ianareo.» 26Koa mandra-piavin’ny Tompo, dia manambara ny fahafatesany ianareo, isaky ny mihinana izany mofo izany sy misotro izany fisotro izany.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...