mercredi 31 juillet 2019

Alarobia 31 Jolay 2019 - Asa 18 : 5 - 11

5Rehefa tonga avy any Masedônia i Silasy mbamin’i Timôty, dia ny toriteny no nimasoan’i Paoly, ary nambarany tamin’ny Jiosy fa i Jesoa no ilay Mesia. 6Kanefa nanohitra sy nanevateva azy ry zareo; ka dia nanopakopa-damba i Paoly sady nanao taminy hoe:
–Anareo ny andraikitra raha toa ka manalavitra an’Andriamanitra ianareo, fa afaka adidy aminareo aho. Manomboka anio dia any amin’ny hafa firenena no halehako.

7Dia niala teo i Paoly ka nankao amin’i Tisio Josta, mpanaja an’Andriamanitra, izay nanan-trano nifanolotra tamin’ny sinagôga. 8Kanefa nino ny Tompo i Krispo, lehiben’ny sinagôga, mbamin’ny ankohonany manontolo; ary maro koa ny Kôrintianina nihaino an’i Paoly no tonga mpino ary natao batisa.

9Indray alina dia nisehoam-pahitana i Paoly, ka nilazan’ny Tompo hoe:
–Aza matahotra, fa mitenena hatrany ary aza mangina. 10Fa momba anao Aho, ary tsy hisy olona afaka hihazona anao mba hampahorîna, satria vahoaka maro no voatokana ho Ahy amin’ity tanàna ity.

11Nitoetra herintaona sy tapany tao Kôrinto i Paoly, ka nampianatra ny tenin’Andriamanitra tamin’ny olona.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12