lundi 23 mars 2020

Alatsinainy 23Martsa 2020 - Asa 3 : 12 - 21

12Raha nahita izany i Petera, dia niteny tamin’ny vahoaka hoe:
–Ry vahoaka israelita, nahoana no gaga amin’izany ianareo? Nahoana izahay no banjininareo hoatra ny hoe herinay manokana na ny fitiavam-bavakay no nampandeha io lehilahy io? 13Ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesoa ilay Mpanompony. Natolotrareo tamin’ny manampahefana i Jesoa ary nolavinareo teo anatrehan’i Pilato, izay efa tapa-kevitra handefa Azy; 14ilay Masina sy Marina dia nolavinareo, ary lehilahy mpamono olona no nitakianareo famotsoran-keloka; 15ilay Mpitari-dalana ho amin’ny fiainana dia novonoinareo, nefa natsangan’Andriamanitra ho velona avy any amin’ny maty; ary vavolombelona manambara izany izahay. 16Nino ny anaran’i Jesoa ralehilahy izay hitanareo sy fantatrareo io, ka ny herin’ny anaran’i Jesoa no nampanjaka azy; ny finoana avy amin’i Jesoa no nahatomady azy tanteraka indray araka izao atrehinareo rehetra izao.

17Fantatro kosa, ry havako, fa tsy fahalalana no nahatonga anareo hanao izay nataonareo tamin’i Jesoa ary toraka izany koa ny manampahefana teo aminareo. 18Notanterahin’Andriamanitra tamin’izany anefa izay voalazany tamin’ny alalan’ny mpaminany rehetra fahiny hoe: tsy maintsy hijaly ilay Mesiany. 19Noho izany, ialao ny toe-dratsy, ary miverena amin’Andriamanitra mba ho foana ny helokareo; 20dia ho tonga aminareo ny vaninandro famelombelomana avy amin’ny Tompo ary hirahiny ho anareo ilay Mesia efa voatendriny, dia i Jesoa. 21Kanefa tsy maintsy horaisin’ny lanitra aloha Izy mandra-piavin’ny fotoana hanavaozana izao rehetra izao, araka izay nambaran’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany masina hatramin’ny fahagola.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12