samedi 21 mars 2020

Sabotsy 21 Martsa 2020 - Mat 2 : 17 - 3 : 7

Tamin’izay no tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Jeremià mpaminany hoe:

18«Injay nisy fitomaniana sy dradradradra tsy anerany heno tao Ramà:
I Rahely no nitomany ny zanany,
ka tsy nety nampiononina satria tsy eo intsony ireny!»

19Rehefa maty kosa i Herôda, dia nisehoan’anjelin’ny Tompo tamin’ny nofy i Jôsefa raha tany Ejipta ka nilazany hoe:

20–Mifohaza ianao, ka ento mody any amin’ny tanin’i Israely ny zazakely sy ny reniny, fa efa maty ireo nitady ny ain’ny zaza.

21Dia nifoha i Jôsefa ka nitondra ny zazakely sy ny reniny niverina tany amin’ny tanin’i Israely. 22Nony ren’i Jôsefa kosa fa i Arkelaosy no nanjaka tany Jodea nandimby an’i Herôda rainy, dia natahotra ny hankany izy. Notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy indray anefa izy ka lasa nankany amin’ny faritany Galilea. 23Ary nony tonga tany izy telo mianaka, dia niorim-ponenana tao amin’ny tanàna atao hoe Nazareta; koa tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe:

«Hantsoina hoe Nazareanina Izy!»

1Tamin’izany vaninandro izany, dia niseho tany an-taniefitr’i Jodea i Jôhany Mpanao batisa, ary nanao antso avo hoe:
2–Ialao ny toe-dratsy fa efa akaiky ny Fanjakàn’ny lanitra!

3Izy no ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Isaià mpaminany hoe:

«Injany misy feon’olona miantso mafy ao an-taniefitra hoe:
Amboary ny lalan’ny Tompo;
ahitsio ny hizorany!»

4Akanjo volon-drameva ary fehikibo hoditra no fanaovan’i Jôhany; valala sy tantely remby no sakafony. 5Tamin’izay dia nirohotra nankany amin’i Jôhany ny olona avy any Jerosalema sy avy any Jodea lafy valo mbamin’ny faritany rehetra amoron’ny ony Jôrdàna; 6ary niaiky heloka izy ireo ka dia nataon’i Jôhany batisa tao Jôrdàna.

7Rehefa hitan’i Jôhany ny Farisianina sy ny Tsadoseanina maro nanatona azy mba hataony batisa, dia nilazany hoe:
–Ry tarana-menarana, iza no nanoro hevitra anareo mba handositra tsy ho tratra amin’ny hatezeran’Andriamanitra izay efa antomotra.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12