mardi 24 mars 2020

Talata 24 Marsa 2020 - Deo 30 : 1 - 10

1Ho tonga aminareo izany zavatra rehetra izany, dia ny fampanantenàm-pitahiana sy fanambaràn-doza izay nataoko teo anoloanareo. Ary any amin’ny firenena rehetra handroahan’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia hotsarovanareo ao am-ponareo izany, 2ka hiverina amin’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo; eny, hanaiky Azy ianareo sy ny taranakareo, hanaiky Azy amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo araka ny didy rehetra izay ampitaiko aminareo anio. 3Dia haverin’ny TOMPO Andriamanitrareo amin’ny fiainanareo taloha ianareo sady hamindrany fo, ka hangoniny indray avy any amin’ny firenena rehetra nampielezany anareo. 4Na misy voaroaka any am-paran’ny tany aza ianareo, dia avy any no hangalan’ny TOMPO Andriamanitrareo azy sy hanangonany azy 5mba hampidiriny ao amin’ny tany izay fananan’ny razambenareo ka ho fanananareo koa. Hanisy soa anareo ny TOMPO Andriamanitrareo ary hahamaro isa anareo, mihoatra noho ny nataony tamin’ny razambenareo; 6dia hodiovin’ny TOMPO Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fon’ny taranakareo hitiavanareo AZY amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo, mba ho velona ianareo. 7Ary hampiharin’ny TOMPO Andriamanitrareo amin’ny fahavalo mpankahala sy mpanenjika anareo ireny ozona rehetra ireny. 8Dia hanaiky ny TOMPO indray ianareo ka hanatanteraka ny didiny rehetra izay ampitaiko aminareo anio. 9Ary hataon’ny TOMPO Andriamanitrareo manana amby ampy ny soa hafafiny aminareo: hambininy avokoa ny asanareo; ho maro anaka ianareo; ho maro taranaka ny biby fiompinareo; ary hiavosa ny vokatry ny taninareo. Araka izay nifalian’ny TOMPO nanasoa ny razambenareo no hifaliany hanasoa anareo koa, 10satria manaiky ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka mitandrina ny didy aman-dalàny, izay voasoratra amin’ity bokin’ny Lalàna ity, ary satria iverenanareo amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo ny TOMPO Andriamanitrareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12