dimanche 12 avril 2020

Alahady 12 Aprily 2020 - Mar 16 : 9 - 20

[ 9Rehefa nitsangana velona i Jesoa ny alahady vao maraina be, dia tamin’i Maria avy any Magdalà, ilay nandroahany demony fito, no nisehoany voalohany. 10Io indray lasa nitantara tamin’ireo mpomba an’i Jesoa, izay mbola nisaona sy nitomany. 11Ireo anefa, nony nandre ny voalazan-dravehivavy fa hoe velona i Jesoa ary hitany, dia tsy nino.

12Taorian’izany, dia roa lahy tamin’ireo mpianatra no nisehoan’i Jesoa tamin’ny fomba hafa indray, raha ilay nandeha nankany ambanivohitra iny izy roa lahy. 13Ireo koa niverin-dalana nitantara tamin’ny namany; fa na dia ireo aza tsy ninoany koa.

14Ary farany dia izy 11 lahy teo am-pisakafoana no nisehoan’i Jesoa, ka nomeny tsiny noho izy malain-kino sy mafy fo satria tsy nety nino ireo nahita Azy efa tafatsangana velona. 15Dia hoy koa i Jesoa taminy:
–Mandehana eran’izao tontolo izao, torio amin’ny olombelona rehetra ny Vaovao Mahafaly. 16Izay hino ka hatao batisa, dia ho voavonjy; fa izay tsy hino, dia hohelohina. 17Ary ireto no famantarana homba izay mino: handroaka demony amin’ny anarako izy; hiteny amin’ny fiteny vaovao; 18handray menarana sy hisotro poizina mahafaty, nefa tsy haninon-tsy haninona; ary hametra-tanana amin’ny marary, dia ho sitrana ireny.

19Ary i Jesoa Tompo, rehefa avy niteny tamin’ny 11 lahy toy izany, dia nakarina any an-danitra ary mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. 20Ireo mpianany kosa lasa nitory ny Vaovao Mahafaly hatraiza haraiza; ary ny Tompo dia niara-niasa taminy sy nanome hery ny teny notorîny tamin’ny alalan’ny famantarana nampombany azy.]

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12