mercredi 15 avril 2020

Alarobia 15 Aprily 2020 - I Kor 15 : 12 - 23

12Raha i Kristy no torînay fa nitsangana velona avy tany amin’ny maty, ahoana no ilazan’ny sasany aminareo fa tsy hitsangana velona ny maty? 13Fa raha tsy hitsangana velona ny maty, na dia i Kristy aza dia tsy ho nitsangana velona mihitsy; 14ary raha tsy nitsangana velona i Kristy, dia tsy misy fotony izay torînay, ary tsy misy fotony izay inoanareo? 15Ary dia hita fa vavolombelona mandainga ny amin’Andriamanitra izahay, satria lainga no nanambaranay fa Andriamanitra dia nanangana an’i Kristy ho velona: na dia Andriamanitra aza tsy ho nanangana an’i Kristy ho velona, raha marina fa tsy mitsangana velona ny maty. 16Eny, raha marina fa tsy mitsangana velona ny maty, na dia i Kristy aza dia tsy ho nitsangana velona. 17Ary raha tsy nitsangana velona i Kristy, dia foana ny finoanareo ary mbola tavela ao amin’ny fahotanareo ihany ianareo. 18Ary dia very koa izay efa nodimandry ka nino an’i Kristy. 19Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia faran’izay mahonena isika amin’ny olon-drehetra.

20Efa nitsangana velona avy tany amin’ny maty tokoa anefa i Kristy, santatra ho an’ireo nodimandry. 21Ary satria olona iray no niavin’ny fahafatesana, dia olona iray ihany koa no iavian’ny fitsanganan’ny maty. 22Eny, toy ny ahafatesan’ny olona rehetra noho izy tafaray amin’i Adama, no ahaveloman’ny olona rehetra noho izy tafaray amin’i Kristy, 23saingy manaraka ny filaharany avy: i Kristy no santatra, vao ireo voatokana ho an’i Kristy amin’ny fotoana hiavian’i Kristy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12