samedi 11 avril 2020

Sabotsy 11 Aprily 2020 - Eks 12 : 1 - 13

1Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy sy Aharôna tany Ejipta hoe:

2«Ity volana ity aminareo no ho volana voalohany, ka izy no hataonareo fiandohan’ny taona. 3Ambarao amin’ny fiangonana israelita manontolo hoe: Amin’ny fahafolon’ity volana ity dia samia maka zanakondry iray avy isan-trano na isam-pianakaviana. 4Raha vitsy loatra ny iray trano tsy mahalany zanakondry iray, dia hiarahanareo maka amin’ny fianakaviana mifanakaiky aminareo izay araka ny isan’ny olona. Fidionareo ny biby araka izay mety ho lanin’ny tsirairay. 5Zanakondry lahy na zanakosy lahy tsy misy kilema, herintaona, no halainareo. 6Hotehiriziko hatramin’ny andro faha-14 amin’ity volana ity izany, ka ny harivan’io andro io dia samy hamono azy ny fiangonana israelita manontolo. 7Hanalanareo ny rany ka hanosoranareo ny tolam-baravarana roa sy ny tataom-baravarana isan-trano hihinanana azy. 8Atsatsiho amin’ny afo ny hena, ary hano amin’io alina io miaraka amin’ny mofo tsy misy leviora sy ny anamafaitra. 9Aza haninareo manta na hahandroina ny hena, fa atsatsiho amin’ny afo manontolo miaraka amin’ny lohany sy ny tongony ary ny taovany. 10Aza asiana sisa ho tra-maraina; fa raha misy sisa tavela, dia dory amin’ny afo. 11Ary toy izao no hataonareo rehefa mihinana azy: asio sikina ny akanjonareo, anaovy ny kapanareo ary ataovy an-tanana ny tehinareo, dia hano faingana izany fa Paska ho an’ny TOMPO.

12«Hamakivaky ao amin’ny tany Ejipta Aho amin’io alina io, ka hamono ny lahimatoa rehetra ao aminy manomboka amin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy. Hotanterahiko ny didim-pitsarana hamelezana ny andriamanitry ny Ejiptianina rehetra. Izaho no TOMPO. 13Fa ho anareo kosa, ny ra dia ho famantarana ny trano izay itoeranareo; koa raha mahita ny ra Aho, dia handalo fotsiny, ka ny areti-mandringana dia tsy hahazo anareo rehefa mamely an’i Ejipta Aho.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12