jeudi 23 avril 2020

Alakamisy 23 Aprily 2020 - Sal 30 : 1 - 13

1 Salamo nataon’i Davida. Hira tamin’ny fitokanana ny lapany.

2TOMPO ô, hankalaza Anao tokoa aho
noho Ianao nanafaka ahy tsy ho faty
ka tsy namela ahy hoesoim-pahavalo.

3Ry TOMPO Andriamanitro ô,
niantso vonjy taminao aho
ka dia nositraninao tokoa.
4Toa efa lasa tany am-pasana aho
fa novelominao indray, TOMPO ô;
toa efa tany amin’ny fonenan’ny maty aho
no nakarinao avy any.

5Mihirà salamo ho an’ny TOMPO,
ianareo mpivavaka aminy;
manaova fiderana Azy
ka tsarovy fa masina Izy.
6Indray mipi-maso ny hatezerany,
fa mandritra ny fiainana tontolo
no itosahan’ny fanambinany.
Hariva sy mandraka alina mbola misy ny tomany;
fa maraina kosa dia hobim-pifaliana.

7Tamin’ny fiadanako no nilazako hoe:
«Tsy hihontsona aho na oviana na oviana.
8Noho ny fanambinanao, TOMPO ô,
dia najoronao tamin-toerana avo aho.»
Kanjo tsy nanaiky hijery ahy Ianao
ka indro raiki-tahotra mafy aho.
9TOMPO ô, miantso vonjy aminao aho;
Ianao, ry Tompoko, no italahoako.
10Inona no soa azonao raha maty aho
na aidina halevina any am-pasana?
Izay lasa vovoka ve hidera Anao
na afaka hanambara fa mahatoky Ianao?
11TOMPO ô, henoy aho ka iantrao;
TOMPO ô, aoka hamonjy ahy Ianao!

12Dia navadikao ho dihy ny alaheloko.
Nesorinao tamiko ny fitafiam-pisaonako
ka nosoloanao akanjom-pifaliana.
13Izany no tsy hitsaharako
ny hisaotra Anao eram-po.
Ry TOMPO Andriamanitro ô,
hoderaiko mandrakizay Ianao.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12