samedi 31 octobre 2020

Sabotsy 31 Oktobra 2020 - Neh 5 : 1 - 13

 1Indray andro dia nisy lehilahy sy vehivavy sarambabem-bahoaka nitaraina mafy noho ny ataon’ny Jiosy sasany mpiray firenena aminy. 2Fa nisy nanao hoe: «Maro izahay mbamin’ny zanakay lahy aman-janakay vavy; koa te hahazo vary izahay mba hohaninay sy hivelomanay». 3Nisy koa nanao hoe: «Ny sahanay sy ny tanimboalobokay ary ny tranonay dia efa nataonay antoka; koa te hahazo vary izahay mandritra ny mosary». 4Nisy indray nanao hoe: «Efa nisambo-bola izahay handoavanay ny hetran’ny amperôra; ary ny sahanay sy ny tanimboalobokay no nataonay antoka. 5Kanefa mba tahaka ireo mpiray firenena aminay ihany ny tenanay, ary tahaka ny zanak’ireo ihany ny zanakay; saingy na izany aza, dia voatery manolotra ny zanakay lahy sy vavy ho mpanompo izahay, ary ny sasany amin’ny zanakay vavy efa mpanompo rahateo. Tsy manan-ko enti-manavotra azy izahay, satria lasan’ny hafa ny sahanay sy ny tanimboalobokay».

6Dia tezitra mafy aho rehefa nahare ny fitarainan’ny olona sy izany teny izany. 7Koa nanapa-kevitra anakampoko aho fa ny loholona sy mpanapaka no hanariko noho izy samy nampanàna zavatra tamin’ny mpiray firenena aminy. Dia nampanao fivoriam-be hitsarana azy aho 8sady niteny taminy hoe:

–Izahay, araka izay tratry ny fanananay, dia efa nanavotra ny mpiray firenena aminay, izany hoe ireo Jiosy namidy tamin’ny hafa firenena; fa ianareo kosa mivarotra ny mpiray firenena aminareo, ka amintsika samy isika ihany no ivarotanareo azy.

Dia sina ry zareo fa tsy nahita havaly. 9Ary hoy koa aho hoe:

–Tsy tsara izao ataonareo izao! Moa tsy tokony niaina tamim-pahatahorana an’Andriamanitra ve ianareo mba tsy hiharan’ny fanaratsian’ireo hafa firenena fahavalontsika? 10Izaho sy ny havako ary ny mpanompoko dia efa nampisambotra vola sy vary, koa aoka re isika mba samy hamoy izany trosa izany! 11Eny, avereno amin’ny mpitrosa, izao anio izao ihany, ny sahany sy ny tanimboalobony mbamin’ny tanin’ôlivany sy ny tranony; ary afoizo ny tombon-tsoa ateraky ny vola mbamin’ny vary sy divay ary menaka izay nampisamborinareo.

12Dia hoy ireo hoe:

–Eny, hanao araka izay lazainao izahay. Hamerina izay nalainay izahay ary tsy hitaky na inona na inona amin’ny mpitrosa.

Dia niantso ny mpisorona aho ka teo anatrehany no nampianianako an’ireo mpampisambotra fa hanao araka izany toky nomena izany. 13Avy eo aho dia nanakopaka ny lambako sady niteny hoe:

–Ho tahaka izany anie no hanakopahan’Andriamanitra ny olona rehetra izay tsy hahatanteraka izany toky nomena izany! Eny, ho voakopaka hiala amin’ny tranony sy ny fananany anie izy, ka ho tavela tsy hanana na inona na inona!

Dia ny fivoriam-be no indray namaly hoe «Amen» sady nidera ny TOMPO; ary nanao araka izany toky nomena izany tokoa ny olona.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12