dimanche 24 janvier 2021

Alahady 24 Janoary 2021 - Asa 17 : 22 - 34

 22Dia nijoro teo afovoan’ny Areôpazy i Paoly ka nanao hoe:

–Ry Atenianina, hitako fa amin’ny lafin-javatra rehetra dia olona fatra-pivavaka ianareo. 23Raha nitsangantsangana eran’ny tanàna aho, ka nijerijery ireo toeram-pivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy soratra hoe: «Ho an’ilay Andriamanitra tsy fantatra.» Ka izany tsy fantatrareo izany, kanefa ivavahanareo, no ambarako aminareo. 24Ilay Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra eo aminy no Tompon’ny lanitra sy ny tany, ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanan’olombelona. 25Tsy hoe orin-javatra Andriamanitra ka tompoin’olombelona, satria Izy ihany no manome ny aina sy ny fofon’aina mbamin’ny zavatra rehetra ho an’ny olombelona tsy an-kanavaka. 26Noarîny avy amin’olona anankiray ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany tontolo; ary nofariparitany koa ny vanim-potoana hiainany sy ny zaratany honenany. 27Nataon’Andriamanitra izany mba hahazoan’ny olombelona mitady Azy, sao izy ireo mba mety maminavina Azy sy mifandray aminy; fa Andriamanitra dia tsy lavitra antsika tsirairay avy, 28satria

«Ao aminy no ivelomantsika sy ihetsiketsehantsika

ary isiantsika.»

Izany indrindra koa no nilazan’ny mpanao tononkira sasany teo aminareo hoe:

«Avy amin’Andriamanitra no ipoirantsika.»

29Koa satria avy amin’Andriamanitra no ipoirantsika, dia tsy tokony hoheverintsika fa Andriamanitra dia mitovy endrika amin’ny sampy volamena na volafotsy na vato, sary sokitra vokatry ny fahaizana amam-pisaintsainan’olombelona. 30Kanefa ninian’Andriamanitra tsy jerena intsony ireo andro tsy nahalalana Azy, fa antsoiny hiala amin’ny toe-dratsy avokoa ny olona rehetra, na aiza na aiza. 31Nisy manko andro anankiray natao hitsaran’Andriamanitra izao tontolo izao araka ny rariny, amin’ny alalan’ny lehilahy anankiray efa voatendriny; ary ny nananganany Azy ho velona avy any amin’ny maty no nataony porofon’izany ho an’ny olona rehetra!

32Vao nandre an’i Paoly niteny momba ny fitsanganan’ny maty ireo olona teo amin’ny Areôpazy, dia tao ny naneso azy ary tao kosa ny nilaza hoe:

–Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’io zavatra io.

33Dia toy izany no nandaozan’i Paoly azy ireo. 34Kanefa nisy olona sasantsasany nikambana taminy ary tonga mpino: anisan’ireny i Diônisy, mambran’ny antenimiera Areôpazy, sy vehivavy atao hoe Damarida ary ny sasany hafa koa izay niaraka tamin’ireo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12