lundi 11 janvier 2021

Alatsinainy 11 Janoary 2021- Asa 8 : 18 - 24

 18Nony hitan’i Simôna fa ny fametrahan’ny apôstôly tanana no nanomezana ny Fanahy Masina tamin’ireo mpino, dia notolorany vola i Petera sy i Jôhany 19sady nataony hoe:

–Omeo ahy koa re izany fahefana izany, dia mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tanana.

20Fa hoy i Petera taminy:

–Vereza miaraka amin’ny tenanao ny volanao satria nataonao fa azo vidîm-bola ny fanomezan’Andriamanitra. 21Tsy misy anjaranao na lovanao amin’ity raharaha ity satria tsy mahitsy fo eo anatrehan’Andriamanitra ianao. 22Koa ialao izao faharatsianao izao ary mangataha amin’ny Tompo mba hamelany izany fihevitry ny fonao izany, raha azo atao. 23Hitako manko fa mbola feno fialonana mangidy sy voafatotry ny fahotana ianao.

24Dia hoy i Simôna tamin’i Petera sy i Jôhany:

–Ianareo mihitsy no mangataha ho ahy amin’ny Tompo, mba tsy hisy hihatra amiko akory izay voalazanareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12