dimanche 13 juin 2021

Alahady 13 Jona 2021 - Jao 1 : 35 - 42

 35Ny ampitson’iny indray, dia mbola teo ihany i Jôhany sy ny mpianany roa lahy; 36ary nahatazana an’i Jesoa nandalo i Jôhany ka hoy izy hoe:

–Indro ny Zanakondrin’Andriamanitra!

37Nandre an’i Jôhany niteny izany ireto mpianany roa lahy ka lasa nanaraka an’i Jesoa. 38Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy roa lahy nanaraka, dia nanao taminy hoe:

–Inona no tadiavinareo izay?

Ka novalian’izy roa lahy hoe:

–Rabỳ ô, (izany hoe Mpampianatra ô, raha adika), aiza ianao no mitoetra?

39Dia hoy i Jesoa taminy:

–Avia, fa ho hitanareo!

Koa dia nandeha izy roa lahy ka nahita izay nitoeran’i Jesoa ary nitoetra teo aminy tamin’io andro io. (Tokony ho tamin’ny efatra tolakandro tamin’izay).

40I Andrea, rahalahin’i Simôna Petera, no anankiray tamin’izy roa lahy nandre ny tenin’i Jôhany, ka nanaraka an’i Jesoa. 41Ny nihaonan’i Andrea voalohany dia i Simôna rahalahiny ka nilazany hoe:

–Efa hitanay ny Mesia (izany hoe i Kristy na hoe Voahosotra, raha adika)!

42Dia nentin’i Andrea nankany amin’i Jesoa i Simôna; ary nony nijery azy i Jesoa, dia nanao hoe:

–Ianao no Simôna, zanakalahin’i Jônà! Hantsoina hoe Kefasy ianao (izany hoe Petera na hoe Vato, raha adika)!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12