samedi 12 juin 2021

Sabotsy 12 Jona 2021 - I Sam 15 : 16 - 26

 16Fa hoy i Samoela tamin’i Saoly:

–Aoka izay, fa hambarako anao izay nolazain’ny TOMPO tamiko halina.

Ary hoy izy taminy:

–Ambarao àry!

17Dia hoy i Samoela hoe:

–Na dia nihevitra ny tenanao ho tsy nanao ahoana aza ianao taloha, dia efa tonga filohan’ny fokon’i Israely, fa ny TOMPO efa nanosotra anao ho mpanjakan’i Israely. 18Ary IZY efa nanoro lalana anao handeha hamongotra tanteraka ireo Hamalekita mpanota ireo ary hiady aminy mandra-paharingany. 19Koa nahoana no tsy nohenoinao ny tenin’ny TOMPO, fa avy hatrany ianao dia niantoraka tamin’ny remby, ary nanao izay nampalahelo ny TOMPO?

20Fa hoy i Saoly tamin’i Samoela:

–Efa nanaiky ny tenin’ny TOMPO aho, ary efa nanaraka izay natorony ahy. Efa novonoin-ko faty avokoa ny Hamalekita, afa-tsy i Agaga mpanjakany ihany izay nentiko eto; 21fa ny miaramila kosa, raha nanavaka ireo biby izay tsara indrindra tokony ho naringana, dia ny hanolorana azy ho sorona ho an’ny TOMPO Andriamanitrao eto Gilgàla.

22Dia hoy indray i Samoela hoe:

–Moa sitraky ny TOMPO mihoatra noho ny fankatoavana AZY ve ny sorona dorana manontolo sy sorona hafa? Tsia! Fa tsara noho ny sorona rehetra ny fankatoavana AZY ary tsara noho ny jaboran’ondrilahy ny fanekena Azy. 23Fa ratsy toy ny sikidy ny fikomiana aminy, ary ratsy toy ny fanompoan-tsampy ny tsy fanekena Azy. Koa satria nandà ny tenin’ny TOMPO ianao, dia mba laviny kosa tsy ho mpanjaka intsony.

24Ka hoy ny navalin’i Saoly azy:

–Efa nanota tokoa aho, satria nandika ny didin’ny TOMPO sy ny teninao. Natahotra ny miaramila manko aho, ka nanaraka ny teniny. 25Ankehitriny, miangavy anao re aho, mamelà ny heloko ka miverena miaraka amiko mba hahazoako miankohoka eo anatrehan’ny TOMPO.

26Hoy kosa i Samoela taminy:

–Tsia, tsy hiverina hiaraka aminao aho, satria efa nandà ny tenin’ny TOMPO ianao, ka dia laviny koa tsy ho mpanjakan’i Israely intsony.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12