jeudi 24 juin 2021

Alakamisy 24 Jona 2021 - Asa 17 : 1 - 9

 1Dia nandalo an’i Amfipôly sy i Apôlônia ry i Paoly sy i Silasy ka tonga tao Tesalônika izay nisy sinagôga anankiray fivavahan’ny Jiosy. 2Nankao amin’ilay sinagôga i Paoly araka ny fanaony. Sabata telo nifanarakaraka no nifanakalozany hevitra momba ny Soratra Masina tamin’ny olona tao; 3nohazavainy sady nasehony taminy fa, araka ny Soratra Masina, dia tsy maintsy nijaly ny Mesia ary nitsangana velona avy tany amin’ny maty. Ka hoy i Paoly:

–Izao Jesoa ambarako aminareo izao no ilay Mesia!

4Nisy sasantsasany resy lahatra tamin’ireo mpiangona ka niray anjara tamin’i Paoly sy i Silasy. Nanao toy izany koa ny olona marobe tamin’ireo Grika mpanaja an’Andriamanitra, ary tsy vitsy tamin’ireo vehivavy ambony toerana.

5Velom-pialonana kosa ny Jiosy, ka namory olon-dratsy avy amin’ireo vahoaka be nahaona teny an-dalambe. Dia nampihotakotaka ny olona ny Jiosy ka nampisavorovoro ny tanàna. Notamîn-dry zareo ny tranon’i Jasôna ary notadiaviny hoentina eo anatrehan’ny vahoaka ry i Paoly sy i Silasy. 6Nony tsy hitan-dry zareo izy roa lahy, dia i Jasôna sy ny havana iray finoana vitsivitsy no nosarihiny hanatrika an’ireo lehiben’ny tanàna sady nohorakorahiny hoe:

–Nanakorontana ny lafy valon’ny tany izy roa lahy ireny, ary mby eto amintsika ankehitriny 7ka nampiantranoin’i Jasôna. Mifanohitra amin’ny didin’ny amperôra rômanina anefa ny fihetsik’izy rehetra ireo satria ambarany fa misy mpanjaka hafa koa atao hoe Jesoa.

8Nampisahotaka ny vahoaka sy ny lehiben’ny tanàna izany teny izany; 9ka nandoa vola hatao antoka ry i Jasôna sy ny namany vao navelan’ireo lehiben’ny tanàna handeha.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12