mercredi 16 juin 2021

Alarobia 16 Jona 2021 - Eks 2 : 1 - 10

 1Nisy lehilahy iray, anisan’ny fokon’i Levỳ, nandeha naka vady tao amin’ny mpiray foko aminy. 2Bevohòka ravehivavy ka niteraka zazalahy. Hitany fa tsara tarehy ilay zazalahy ka nafeniny nandritra ny telo volana. 3Taorian’izany, rehefa tsy afa-nanafina azy intsony izy, dia naka sobika zozoro izay nohosorany dity mineraly sy ditin-kazo, dia napetrany tao ny zaza; ary tao anatin’izany sobika izany no nanaterany azy teny amoron’i Neily teo anivon’ny bararata. 4Nijanona lavidavitra ny anabaviny mba hijery izay hanjo azy.

5Taoriana kely dia nidina tao amin’i Neily mba handro ny zazavavin’ny Farao, ary ireo mpanotrona azy kosa nitsangantsangana teny amoron’ny ony. Nahatazana ilay sobika teo anivon’ny bararata izy ka naniraka ny mpanompovaviny iray haka azy. 6Nosokafan’ny andriambavy ilay sobika, ka intỳ hitany tao zazalahy kely mitomany; ary onena azy izy ka niantso hoe:

–Zanaka Hebreo ity!

7Fa niteny tamin’ny zanakavavin’ny Farao kosa ilay anabaviny nanao hoe:

–Handeha hiantso vehivavy mpitaiza ho anao amin’ny vehivavy hebreo ve aho mba hitaiza ny zaza ho anao?

8Dia novalian’ny andriambavy hoe:

–Mandehana àry!

Dia nandeha razazavavy ka ny renin’ilay zazalahy ihany no nantsoiny. 9Ary hoy ity andriambavy tamin-dravehivavy:

–Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy fa izaho no hanome ny karamanao.

Dia nalain-dravehivavy ny zaza ka notezainy.

10Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tany amin’ny zanakavavin’ny Farao, ka nanjary zanany. Dia hoy ity andriambavy hoe:

–Antsoiko hoe Mosesy izy satria avy tamin’ny rano nisarihako azy

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12