dimanche 8 janvier 2023

Alahady 08 Janoary 2023 - Mat 14 : 13 - 23

 13Nony nahare izany i Jesoa, dia niala teo ka niondrana an-tsambokely mba hitokana any an-taniefitra. Vao nandre ny foto-dian’i Jesoa ny vahoaka, dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa ka nizotra ny moron-drano nanaraka Azy. 14Rehefa nidina avy ao an-tsambokely i Jesoa, dia nahita vahoaka marobe, ka onena azy ka nanasitrana ny marary teo aminy.

15Nony hariva ny andro, dia nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nanao hoe:

–Taniefitra ity toerana ity ary ny andro efa hariva; koa ravao ny vahoaka mba hamonjy tanàna hividy sakafo.

16Fa novalian’i Jesoa hoe:

–Tsy tokony handeha izy; ianareo no aoka hanome hanina azy.

17Dia hoy ny mpianatra taminy:

–Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy trondro anankiroa atỳ aminay.

18Ary hoy i Jesoa:

–Ento atỳ amiko izany.

19Dia nasain’i Jesoa nipetraka teny amin’ny ahitra ny vahoaka. Noraisin’i Jesoa tamin’izay ny mofo dimy sy ny trondro anankiroa; ary rehefa niandrandra ny lanitra ka nisaotra an’Andriamanitra Izy, dia nanapaka ny mofo sy nanome azy ny mpianatra; ny mpianatra kosa nandroso izany tamin’ny vahoaka. 20Dia samy nihinana avokoa izy rehetra ka voky. Ary nentin’ireo mpianatra ny tapa-mofo aman-trondro14.20 nihinana... ka voky: jereo Eks 15.12. –tapa-mofo aman-trondro: tsy hoe sombintsombin-javatra sisa, fa anjara mahavoky tsara ny olona iray sady tsy mbola nokasihina. ambiny ka nahafeno sobika 12. 21Nefa dia tokony ho dimy arivo ny vatan-dehilahy nihinana teo, afa-tsy ny zaza amam-behivavy14.21 Momba ny and 17-21, ampit 2 Mp 4.42-44..

22Vetivety foana taorian’izay, dia noteren’i Jesoa hiditra tao an-tsambokely ireo mpianatra ary nasainy hialoha Azy eny ampita; fa Izy mbola handefa ny vahoaka hody. 23Rehefa avy nandefa ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hitokana hivavaka. Nony maizina ny andro, dia i Jesoa irery sisa teo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12