mardi 17 janvier 2023

Talata 17 Janoary 2022 - II Kor 5 : 11 - 21

 11Fantatray ny atao hoe fahatahorana ny Tompo, ka miezaka hampanaiky ny olona izahay. Tena mahalala anay Andriamanitra, ary antenaiko fa mahalala ahy ao amin’ny fieritreretanareo koa ianareo. 12Tsy hoe midera tena indray aminareo izahay, fa manome anareo izay hahazoanareo mirehareha ny aminay; ka dia mba hisy havalinareo ny olona mirehareha amin’ny zavatra eto ivelany fa tsy amin’ny zavatra ao am-po. 13Raha marina fa very saina izahay, dia ho an’Andriamanitra izany; raha mitombin-tsaina izahay, dia ho anareo izany. 14Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty hamonjy ny olona rehetra ny olona anankiray; noho izany, nandalo fahafatesana koa izy rehetra. 15Maty hamonjy ny olona rehetra ny olona anankiray, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony ireo velona, fa ho an’Ilay efa maty sy nitsangana velona hamonjy azy.

16Ka hatramin’ny naha kristianina anay, dia tsy mihevitra na iza na iza araka ny fisainan’olombelona intsony izahay. Na dia nihevitra an’i Kristy araka ny fisainan’olombelona aza izahay fahiny, dia tsy manao toy izany intsony ankehitriny. 17Raha misy olona tafaray amin’i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra tranainy, ary efa mby eo ny zavatra vaovao. 18Izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, Izay nampihavana antsika aminy indray tamin’ny alalan’i Kristy sady nanome anay ny fanompoana hitaona ny hafa hihavana aminy. 19Eny, Andriamanitra tsy nitana ny fahotan’ny olona fa nampihavana ny olona rehetra aminy indray tamin’ny alalan’i Kristy5.19 Eny... tamin’ny alalan’i Kristy: dkt hafa Andriamanitra dia tao amin’i Kristy, ka nampihavana ny olona rehetra aminy indray ary tsy nitana ny fahotany.; ary efa napetrak’Andriamanitra taminay izany teny mitory fampihavanana izany.

20Koa dia iraka solotenan’i Kristy izahay, ka tahaka ny hoe Andriamanitra mihitsy no mananatra anareo amin’ny alalanay. Solotenan’i Kristy izahay no miangavy anareo hoe: meteza hampihavanina amin’Andriamanitra ianareo. 21Tsy mba nanota na oviana na oviana i Kristy, nefa ny otantsika dia nampitondrain’Andriamanitra Azy ho famonjena antsika, mba hahatonga antsika handray ny fahamarinana omen’Andriamanitra noho ny firaisana amin’i Kristy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12