jeudi 5 janvier 2023

Alakamisy 05 janoary 2023 - Sal 51 : 1 - 19

 1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida, 2fony i Natàna mpaminany nankao aminy, rehefa naka an’i Baty-Seba ity mpanjaka51.1 Jereo 2 Sam 11-12..

3Andriamanitra ô, iantrao aho

satria fatra-pitia Ianao;

koseho re ny hadisoako

satria be indrafo Ianao.

4Sasao tanteraka aho ho afa-keloka

ary diovy mba ho afa-pahotana.

5Eny, miaiky ny fahadisoako aho

sady tsaroako lalandava ny fahotako.

6Ianao irery tokoa no nanotako,

ny ratsy eo imasonao no nataoko;

hany ka ara-drariny Ianao raha miteny,

ary tsy omen-tsiny raha manadidy51.6 Ity andalana ity dia tsiahivina ao amin’ny Rm 3.4..

7Jereo fa meloka aho no teraka,

mpanota raha notorontoronina;

8nefa ny hahitsy ao anaty no sitrakao,

koa ny fahendrena am-po no atoroy ahy.

9Ataovy afa-pahotana tokoa aho, dia hadio;

sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka.

10Ataovy reko ny famelanao,

dia hifaly sy hiravo indray aho;

ary aoka hibitaka ny taolako

izay efa voamontsamontsanao.

11Hadinoy tanteraka ny fahotako

ary koseho avokoa ny heloka vitako.

12Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô,

fanahy mahatoky no aoreno ato anatiko.

13Aza esorina anoloanao aho;

ny Fanahinao Masina, aza alana amiko.

14Avereno amiko ny hafalian’ny voavonjy;

ilay Fanahinao mampazoto no anohany ahy.

15Dia hotoroako ny lalanao ireo olon-diso

ka hiverina aminao ny mpanota.

16Andriamanitra ô, Andriamanitra mpamonjiko Ianao.

Namono olona ho faty aho ka ataovy afa-keloka51.16 Jereo 2 Sam 11.14-27.

mba hihobiako ny fanafahanao ahy.

17Tompo ô, ampio hiloa-bava aho,

mba hanambaràko ny fiderana Anao.

18Tsy ny sorona amam-panatitra no ho sitrakao;

raha izany, dia nomeko ihany Ianao.

Na ny sorona dorana manontolo aza

dia tsy hahafaly Anao akory.

19Ny sorona ataoko aminao, Andriamanitra ô,

dia ny fanahiko tsy miavonavona;

ny foko tsy miavonavona sy mangorakoraka

dia tsy mba ataonao tsinontsinona, Andriamanitra ô.


Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12