mardi 10 janvier 2023

Talata 10 Janoary 2023 - Oha 8 : 22 - 36

 22«Nateraky ny TOMPO8.22 Dkt hafa Norantovin’ny Tompo. ho voalohan’asany aho,

dia talohan’ny asa nataony hatry ny elabe.

23Natokany hatramin’ny fahagola aho,

eny, natokany hatrany am-piandohana,

dia fony tsy mbola nisy akory ny tany.

24Fony tsy mbola ary ny rano lalimbe no efa teraka aho

dia fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika.

25Talohan’ny niorenan’ny tendrombohitra

sy talohan’ny havoana no efa teraka aho,

26dia fony tsy mbola nataon’Andriamanitra

na ny tany na ny saha midadasika eo aminy

na ny vovotany singany voalohany

teo amin’izao tontolo izao.

27Efa teo aho, fony Andriamanitra

namorona ny lanitra,

sy namaritra ny faravodilanitra

teo ambonin’ny rano lalimbe.

28Nampivangongo ny rahona eny ambony Izy

ary nampiboiboika ny loharano lalina;

29nanisy faritra ho an’ny ranomasina Izy,

dia faritra tsy azony hihoarana,

ary nametraka ny fanorenan’ny tany.

30Tamin’izany asa rehetra nataony izany

dia nanampy azy toy ny mpanao mari-trano aho8.30 dia nanampy... aho: dkt hafa dia teo anilany toy ny zaza lalainy aho.

ka sady antom-piravoravoany isan’andro isan’andro

no nibita-kafaliana tsy tapaka teo anatrehany;

31nibita-kafaliana aho teo amin’ny tany noarîny

ary naharavoravo ahy teo amin’ny olombelona.»


32«Ary ankehitriny henoinareo aho, rey anaka;

fa sambatra ianareo manaraka ny sori-dalako.

33Henoy ny anatro ary aza lavina

fa hampahendry anareo izany.

34Sambatra izay olona mihaino ahy

ka miandry isan’andro eo am-baravarako

sy miambina eo an-tokonako!

35Izay mahita ahy dia mahita ny fiainana

sady mahazo sitraka amin’ny TOMPO.

36Fa izay diso amiko dia handratra ny tenany,

ary izay mankahala ahy dia tia fahafatesana.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12