samedi 14 janvier 2012
Sabotsy 14 Janoary 2012 - Dan 2 : 19 - 28
19 Dia naseho an'i Daniela tamin'ny fahitana amin'ny alina izany zava-miafina izany, ka dia nisaotra an' Andriamanitry ny lanitra Daniela. 20 Eny, niteny izy ka nanao hoe: Isaorana anie ny anaran' Andriamanitra mandrakizay mandrakizay, fa Azy ny fahendrena sy ny hery. 21 Ary Izy no mandahatra ny andro sy ny fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an'ny hendry sy fahalalana ho an'izay mazava saina.
22 Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina; Izy no mahalala zay ao amin'ny maizina, ary ny mazava mitoetra ao aminy. 23 Hianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no deraiko sy isaorako, satria nomenao fahendrena sy hery aho, ary ankehitriny efa nampaha-fantarinao ahy izay nangata-hinay taminao; fa nampaha-fantarinao anay ilay nofin'3 ny mpanjaka. 24 Ary noho izany Daniela dia niditra nankao amin'i Arioka, izay notendren'ny mpanjaka handringana ny olon-kendrin'i Babylona, eny, nandeha izy ka nanao taminy hoe: Aza mandringana ny olon-kendrin'i Babylona; fa ento ho eo anatrehan'ny mpanjaka aho, dia hambarako aminy ny
hevitry ny nofiny. 25 Dia nentin'i Arioka faingana ho eo anatrehan'ny mpanjaka Daniela, ka hoy izy taminy: Nahita lehilahy isan'ny babo avy any Joda aho, izay hilaza amin'ny mpanjaka ny hevitry ny nofy. 26 Ny mpanjaka namaly ka nilaza tamin'i Daniela, izay atao hoe koa Beltesazara, hoe: Moa mahay manambara amiko ny nofy izay hitako mbamin'ny heviny va ianao? 27 Dia namaly teo anatre-han'ny mpanjaka Daniela nanao hoe: Ilay zava-miafina nanontanian'ny mpanjaka dia tsy hain'ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny ombiasy, na ny mpanandro, nolazaina tamin'ny mpanjaka; 28 kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampaha-fantatra an'i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany. Ny nofinao sy ny fahitan'ny lohanao teo amin' ny farafaranao dia izao:
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...