samedi 28 janvier 2012
Sabotsy 28 Janoary 2012 - I Jao 3 : 18 - 24
18 Anaka, aoka tsy ho tia amin'ny teny na amin'ny lela isika, fa amin'ny asa sy amin'ny marina. 19 Izany no hahafantarantsika fa avy amin'ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany, 20 na amin'inona na amin'inona no anamelohan'ny fontsika antsika, satria Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra. 21 Ry malala, raha tsy mba manameloka antsika ny fontsika, dia manana fahasahiana eo anatrehan'Andriamanitra isika. 22 Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika. 23 Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika ny anaran'i Jesosy Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika. 24 Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...