mardi 31 janvier 2012
Talata 31 Janoary 2012 - II Mpan 19 : 25 - 28
25 Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin'ny andro taloha no nikasako izany? ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho, ka dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato ianao. 26 Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no mangaihay izy; efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin'ny tampon-trano, ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry. 27 Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko. 28 Satria efa tezitra amiko ianao, ary efa tonga ato an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny masom-biko ny oronao, ary hasiako ny lamboridiko ny vavanao, ary hampivereniko amin'ny lalana izay nihavianao ianao.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...