vendredi 27 janvier 2012
Zoma 27 Janoary 2012 - I Tan 28 : 8 - 10
8 Ary ankehitriny, eto anatrehan'ny Isiraely rehetra, fiangonan'i Jehovah, sy eto anatrehan'Andriamanitsika, tandremo sy diniho ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo rehetra, mba hahatananareo ity tany soa ity, sady havelanareo ho lovan'ny zanakareo mandimby anareo, mandrakizay izy. 9 Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin'ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay. 10 Koa mitandrema; fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina; dia mahereza ka mahefà.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...