samedi 10 mars 2012

Sabotsy 10 Martsa 2012 - Deo 3 : 21 - 29


21 [Ny amin'ny tsy hidiran'i Mosesy ao Kanana, sy ny nanendrena an'i Josoa handimby azy] Dia nandidy an'i Josoa aho tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Ny masonao efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ireo mpanjaka roa lahy ireo; dia toy izany no hataon'i Jehovah amin'ny fanjakana rehetra izay halehanao. 22 Aza matahotra azy ianareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no hiady ho anareo. 23 Dia nitaraina tamin'i Jehovah tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: 24 Jehovah Tompo ô, Hianao vao naneho tamin'ny mpanomponao ny fahalehibiazanao sy ny tananao mahery; fa aiza no misy andriamanitra, na any an-danitra na at? an-tany, izay mahay manao araka ny asanao sy ny herinao? 25 Aoka mba handeha hita aho ka hahita ny tany soa izay any an-dafin'i Jordana, dia ilay be tendrombohitra tsara sy Libanona.26 Fa tezitra tamiko Jehovah noho ny aminareo ka tsy nihaino ahy; dia hoy Jehovah tamiko: Aoka izay, fa aza miteny amiko intsony ny amin'izany zavatra izany ianao. 27 Miakara eo an-tampon'i Pisga ianao, ary atopazy ny masonao miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana, ary aoka hijery ny masonao; fa tsy hita izany Jordana izany ianao; 28 fa mandidia an'i Josoa ianao, dia mampahereza azy sy mampahatanjaha azy; fa izy no handeha hita eo alohan'ity firenena ity, ary izy no hampandova azy ny tany izay ho hitanao. 29 Ka dia nitoetra tany an-dohasaha tandrifin'i Beti-peora isika.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12