vendredi 16 mars 2012
Zoma 16 Martsa 2012 - Mar 11 : 27 - 33
27 Ary tonga tany Jerosalema indray izy; ary raha nitsangantsangana teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia nanatona Azy ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona 28 ka nanao taminy hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany hanaovanao izao zavatra izao? 29 Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hanontany anareo zavatra iray loha kosa Aho, ka valio Aho; ary dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao: 30 Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Valio Aho. 31 Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana ary no tsy nino azy ianareo? 32 Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, natahotra ny olona izy, satria neken'ny olona rehetra fa mpaminany tokoa Jaona. 33 Dia namaly an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...