samedi 24 mars 2012

Sabotsy 24 Martsa 2012 - II Tan 25 : 1 - 13


1 Dimy amby roa-polo taona Amazia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema. 2 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, nefa tsy dia tamin'ny fony rehetra. 3 Ary nony tafapetraka tsara tamin'ny fanjakany izy, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy. 4 Nefa ny zanak'ireo namono dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna. dia ao amin'ny bokin'i Mosesy, izay nandidian'i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy, fa samy ho faty amin'ny fahotany avy ny olona. 5 Ary novorin'i Amazia ny Joda, ka nalahany araka ny fianakaviany avy, dia araka ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato avy amin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra: dia nisainy ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, ka olona telo hetsy voafantina no hitany, izay azo nalefa hanafika sady nahatan-defona sy ampinga lehibe. 6 Ary nisy lehilahy mahery iray hetsy tamin'ny Isiraely nokaramainy talenta volafotsy zato. 7 Nefa nisy lehilahin'Andriamanitra tonga tao aminy ka nanao hoe: Ry mpanjaka, aza avela hanaraka anao ny miaramilan'ny Isiraely; fa tsy omban'i Jehovah ny Isiraely, dia ny taranak'i Efraima rehetra. 8 Fa mandehana ihany ianao, ka manaova, ary mahereza amin'ny ady; fa hataon'Andriamanitra lavo eo anoloan'ny fahavalo ianao; fa Andriamanitra no mahay mamonjy sy mampahalavo. 9 Fa hoy Amazia tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra: Ka hataontsika ahoana ny amin'ny talenta zato nomeko ny miaramilan'ny Isiraely? Asy hoy ilay lehilahin'Andriamanitra taminy: Jehovah mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany. 10 Dia navahan'i Amazia ireo miaramila tonga tao aminy avy tamin'ny Efraima ireo mba hody indray; ary nirehitra mafy ny fahatezeran'ireo tamin'ny Joda, dia lasa nody izy sady tezitra indrindra. 11 Ary Amazia nitombo hery, dia nitarika ny vahoakany ka nankany amin'ny Lohasahan-tsira, ary nahafaty iray alina tamin'ny taranak'i Seira izy. 12 Ary ny iray alina sisa nataon'ny taranak'i Joda sambo-belona, dia nentiny teo an-tampon'ny hantsam-bato ary navariny teo, ka montsamontsana izy rehetra. 13 Fa ireo miaramila izay nampodin'i Amazia tsy hiara-manafika aminy dia nihahakahaka teny an-tanànan'ny Joda hatrany Samaria ka hatrany Beti-horona ka nahafaty olona telo arivo tany sady nahazo babo betsaka.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12