vendredi 9 mars 2012

Zoma 09 Martsa - Asa 12 : 1 - 7


1 [Ny amin'ny nanenjehana ny fiangonana, sy ny nanafahana an'i Petera tao an-tranomaizina] Ary tamin'izany andro izany Heroda mpanjaka naninjitra ny tànany hampahory ny sasany tamin'ny fiangonana. 2 Ary izy namono an'i Jakoba, rahalahin'i Jaona, tamin'ny sabatra. 3 Ary rehefa hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nandroso nisambotra an'i Petera koa izy. (Efa mby tamin'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin'izany.) 4 Ary rehefa nosamboriny izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony tamin'ny miaramila enina ambin'ny folo* hambenany; dia nikasa hamoaka azy ho eo amin'ny vahoaka izy, rehefa afaka ny Paska. [* Gr. miaramila efatra katernia; ny katernia iray dia miaramila efa-dahy] 5 Ary Petera nambenana tao an-tranomaizina; ary ny fiangonana nahery nangataka tamin'Andriamanitra ho azy. 6 Ary nony efa hamoaka azy Heroda, dia natory teo anelanelan'ny miaramila roa lahy Petera tamin'iny alina iny, sady voafatotra tamin'ny gadra roa izy; ary nisy mpiambina niambina ny tranomaizina teo am-baravarana. 7 Ary, indro, nisy anjelin'ny Tompo tonga teo, sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary izy nanohina ny tehezan'i Petera, dia namoha azy ka nanao hoe: Mitsangàna faingana. Dia niala tamin'ny tànany ny gadra.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12