24 Izao no lazain’i Jehovah, Izay nanavotra anao sady namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho no Jehovah Izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; ny tenako ihany no mamelatra ny tany; 25 Izaho mahafoana ny famantarana lazain’ny mpibedibedy sy mampahavery saina ny mpanao fankatovana ary mampihemotra ny olon-kendry ka mampody ny fahalalany ho fahadalana, 26 Ary mahatò ny tenin’ny mpanompoko sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako, ary manao amin’i Jerosalema hoe: Honenana hianao, sy amin’ny tanànan’i Joda hoe: Hatsangana hianareo, ka hamboariko izay rava eo, 27 Ary milaza amin’ny rano lalina hoe: Tankìna, fa hataoko tankina ny oninao, 28 Ary milaza an’i Kyrosy hoe: Izy no mpiandry ondriko, ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; ary izy hanao amin’i Jerosalema hoe: Hatsangana hianao, ary amin’ny tempoly hoe: Haorina indray ny fanorenanao.
vendredi 30 mars 2012
Zoma 30 Martsa 2012 - Isa 44 : 24 - 28

-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...