dimanche 8 juillet 2012
Alahady 08 Jolay 2012 - Lio 16 : 9 - 13
9 Ka hoy Aho aminareo mpianatro: ampiasao ny haren'izao tontolo izao hananan-kavana handray anareo any amin'ny fonenana mandrakizay, rehefa tonga ilay andro hamoizana ireny harena ireny. 10 Izay mahatoky amin'ny zava-madinika, dia mahatoky koa amin'ny zava-dehibe; ary izay tsy marina amin'ny zava-madinika, dia tsy marina koa amin'ny zava-dehibe. 11 Raha tsy azo itokiana amin'ny haren'izao tontolo izao ianareo, iza no hametraka aminareo ny tena harena; 12 ary raha tsy azo itokiana amin'izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo ny fananana tena anareo? 13 Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa: satria na ny anankiray ho halany ary ny anankiray ho tiany, na ny anankiray hombany ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy hainareo atao ny sady manompo an'Andriamanitra no manompo ny harena.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...