vendredi 6 juillet 2012
Zoma 06 Jolay 2012 - I Sam 20 : 16 - 23
16 Dia nanao dinam-pisakaizana tamin'i Davida sy ny taranany i Jonatana hoe: ...ary ny TOMPO anie hamalifaty ny fahavalon'i Davida! 17 Ary nampianiana an'i Davida koa i Jonatana amin'ny anaran'ny fitiavany azy, satria tia azy tahaka ny itiavany ny tenany i Jonatana. 18 Ary hoy indray i Jonatana tamin'i Davida: Rahampitso ny fetin'ny tsinam-bolana, ka ho hitan'ny olona ny tsy fahatongavanao, satria ho banga ny toeranao. 19 Rahafakampitso dia hidina hatrany amin'ilay toerana nierenao tamin'ny indray andro iny ianao ka hitoetra eo akaikin'ny vato Ezela. 20 Izaho kosa, handefa zana-tsipika telo mankany, toy ny mikendry lasibatra; 21 dia haniraka ny zatovolahy aho hanangona ireny. Koa raha hoy aho amin'ilay zatovolahy hoe: Jereo fa tsy lasa nihoatra anao ny zana-tsipika, koa angony; midika izany fa milamina ny raharaha, ka afaka miverina ianao. Velona ny TOMPO ka sahiko lazaina fa tsy hisy loza hanjo anao akory. 22 Fa raha hoy kosa aho amin'ilay zatovolahy hoe: Lasa nihoatra anao ny zana-tsipika, dia mandehana ianao, ry Davida fa sitraky ny TOMPO ny handehananao. 23 Ary momba ny dinam-pisakaizana nataontsika, dia ny TOMPO no hanelanelana antsika mandrakizay.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...